Sorona Masina ny Asabotsy 29 febroary 2020

SABOTSY

manaraka ny Lavenona

Tononkira fidirana

Salamo 68, 17

 

Valio izahay, ry Tompo, fa tsara fo Ianao; todiho izahay, fa be fitiavana Ianao.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba topazo maso miantra izahay osa sy malemy ary amparo hanampy anay ny herinao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 58, 9b-14

 

Raha manome ny haninao ho an’ny noana Ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao.

Izao no lazain’ny Tompo: “Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambanana sy ny teny manala baràka; raha manome ny haninao ho an’ny noana ianao, sy mamoky ny fanahy miferin’aina; hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao; hamirapiratra hoatra ny mitataovovonana ny haizinao: ary ny Tompo hitari-dalana anao mandrakizay, sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao sy ho tahaka ny loharano velona tsy manam-paharitana. Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpamboatra ny banga, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo honenana. Raha fadìnao ny manitsakitsaka ny sabata, amin’ny fanaovana ny raharahanao amin’ny androko masina, raha ny sabata no antsoinao hoe: fahafinaretana, sy ny andro masin’ny Tompo hoe: mendrika hohajaina. Koa manajà azy amin’ny tsy fanarahana ny lalanao, sy tsy fanaovana ny raharahanao, na ny teniteny foana; dia hahita fahafinaretana ao amin’ny Tompo ianao amin’izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany, sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 85, 1-2. 3-4. 5-6

 

Fiv.: Tariho amin’ny lalanao aho, ry Tompo.

Mba henoy sy valio aho, ry Tompo, fa dia ory sy mahantra re ity izaho! Ity sakaizanao mifikitra aminao: mba arovy sy tsimbino lalandava.
Amindrao fo hatrany re, ry Tompo, fa Ianao no efa antsoiko isan’andro. Ity fanahiko asandrato aminao, dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo: he! tianao ireo matoky miantso Anao. Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy: izany antso sy talahoko reneso.

 

Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho.

Voninahitra sy dera anie ho anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 5, 27-32

 

Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nahita poblikanina anankiray atao hoe Levi, nipetraka teo amim-pamorian-ketra, ary hoy Izy taminy: “Manaraha Ahy.” Dia nafoiny ny zavatra rehetra, ka nitsangana nanaraka Azy izy. Nanao fanasana lehibe ho Azy tao an-tranony i Levi, ary nisy poblikanina sy olon-kafa betsaka koa niara-nihinana taminy tao. Nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ka nanao tamin’ny mpianany hoe: “Nahoana no miara-mihinana sy misotro amin’ny poblikanina sy ny mpanota ianareo?” Fa novalian’i Jesoa hoe: “Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary. Tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota hibebaka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ity Sorona natao hampitony Anao sy hanomezam-boninahitra Anao, koa tahio ny fonay diovin’ny hasina avy aminy mba hanolotra fitiavana tena sitrakao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Karemy

 

Kômonio

Mt. 9, 13

Ny indrafo no sitrako, hoy ny Tompo, fa tsy ny sorona, satria tsy ny olo-marina no tiako hantsoina fa ny mpanota.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazoanay aina sy hery avy any an-danitra, ry Tompo, izao Kômonio izao, koa enga anie hanampy anay mivahiny eto an-tany hahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2688