Sorona Masina ny Alarobia 26 febroary 2020

ALAROBIA FANOSORANA LAVENONA

Tononkira fidirana

Fah. 11, 24-25.27

Iantrànao avokoa ny olona rehetra, ry Tompo, ary tsy misy halanao izay noarînao; rehefa mibebaka ny olombelona dia ahodinao ny masonao tsy hijery ny fahotany, ary avelanao ny hadisoany satria Tompo Andriamanitra Ianao.


Tsy asiana vavaka fifonana fa voasolon'ny fanosorana lavenona, ka avy hatrany dia:


Fangatahana

Tompo ô, ampio izahay hanatanteraka ny fifadian-kanina anombohanay izao fomba kristianina handresena ny ratsy izao, mba hanome hery anay hiady amin’ny hasomparan’ny demony ny fiezahanay hahalala onony.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Joely Mpaminany

Joely 2, 12-18

Ny fonareo no rovidrovito fa aza ny fitafianareo

Izao no lazain’ny Tompo: miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana. Ny fonareo no rovidrovito, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’ny Tompo Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra Izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany. Iza moa no mahalala fa tsy hihemotra sy tsy hanenina, ary tsy hamela fitahiana eo aoriany Izy, dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an’ny Tompo Andriamanitsika? Tsofy ao Siôna ny trômpetra, miantsoa fifadian-kanina, mamoria fiangonana. Eho ny vahoaka; miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efi-tranony, ary ny ampakarina handao ny trano lainy. Eo anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôtely, dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan’ny Tompo, hitomany ka hanao hoe: “Tompo ô, tsimbino ny vahoakanao, aza atolotrao halàm-baraka ny lovanao, ka hataon’ny firenena fandatsa. Ahoana no dia hanaovana anay any amin’ny hafa firenena hoe: Fa aiza izay Andriamanitr’izy ireo?” Nentanin’ny hasaro-piaro ny taniny ny Tompo ka namindra fo ny vahoakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo Fandinihana

Sal. 50, 34. 5-6a. 12-13. 14 sy 17


Fiv: Iantrao aho, ry Andriamanitra, araka ny hatsaram-ponao.

Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao; koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao. Sasao tanteraka amin’ny otako aho, diovy tokoa amin’ny hadisoako.
Eny, miaiky heloka aho: tsaroako lalandava ny otako.
Ianao irery tokoa no nanotako; ny ratsy imasonao no nataoko.
Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ô, fanahy vaovao araikitra ato anatiko. Aza esorina anoloanao aho; ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.
Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy; fanahy mazoto ankaherezana ahy. Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hidera Anao ny vavako.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 5, 20-6, 2


Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo. Indro ankehitriny ny fotoana tsara.

Ry kristianina havana, sady solon’i Kristy izahay no irak’Andriamanitra, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo! Fa he ity Izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika! Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan’Andriamanitra ianareo; fa hoy Izy: “Tamin’ny fotoana tsara, nihaino anao Aho; ary tamin’ny androm-pamonjena, namonjy anao Aho”; indro, ankehitriny ny fotoana tsara; indro, ankehitriny ny androm-pamonjena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo; fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 6, 1-6, 16-18

Ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa ataonareo mba hahitany azy; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao, dia aza mitsoka trômpetra eo anoloanao tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be, mba hankalazan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany, Fa raha manao fiantrana ianao, aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana, mba hiafina ny fiantrana ataonao, ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.

Ary raha mivavaka ianareo; aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny Sinagôga sy eny anjoron-dalana, mba hahitan’ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa efa azony ny valisoany. Fa Ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao ainin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny Rainao izay mahita ny ao amin’ny mangingina no hamaly anao.

Ary raha mifady hanina ianareo, dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy, izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy.

Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany. Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao, mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina, fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Fanamasinana sy Fanosorana ny lavenona

Aoka isika, ry kristianina havana, hitalaho an-tanandroa amin’Andriamanitra Ray, hampitosaka ny fahasoavany, hitso-drano izao lavenona izao, fa hahosotra ny handrintsika ho fanehoana ny fontsika mivalo.

Mivavaka mangina vao tohizina hoe:


Andriamanitra ô, milefitra Ianao raha mietry tena izahay, mitony Ianao raha manonitra ny otanay izahay; ary fatra-pitia anay Ianao, ka atongilano ny sofinao hihaino ny vavakay: rotsahy ny tsodrano amam-pahasoavanao izahay fianakavianao hohosorana lavenona, hanatanterahanay tsara ny fomba masina fanao amin’ny Karemy, mba hahatonga anay hadio sy ho afa-pahotana, ka ho tody soa aman-tsara amin’ilay andro Paka hankalazana ny Zanakao nitsangan-ko velona.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


na hoe:

Andriamanitra ô, tsy ny hahafaty ny mpanota no irinao fa ny hivalozany; koa henoy amin’ny fo antra ny vavaka ataonay ary ho sitrakao anie ny hitsodrano amim-pitiavana izao lavenona hahosotra ny handrinay izao. Fantatray fa vovoka izahay ary hody vovoka indray, ka ataovy feno zotom-po hanatontosa ny fomba masina amin’ny Karemy, mba hanafaka ny fahotanay sy hanavao ny fiainanay hitovizanay endrika amin’ny Zanakao nitsangan-ko velona.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

Dia fafazana rano voahasina ny lavenona, tsy misy teny lazaina. Ary hosoran’ny Pretra lavenona ny mpiangona rehetra manatona azy, ilazany tsirairay hoe:


— Mibebaha ary minoa ny Evanjely.


na hoe:

— Tsarovy, ry olombelona, fa vovoka ianao, ka hody vovoka indray!


Tsy asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Fotoana tokony hivavahana ny andro rehetra, nefa amin’izao Karemy izao indrindra no aoka haharetantsika mivavaka ary hiezahana hivavaka tsara amin’Andriamanitra. Koa mangataha isika amin’izao ranombavaka izao, mba haharitra hivavaka sy ho vonona hibebaka marina tokoa.


Valy.: Ray ô, tia anay ny Zanakao, ka tsinjovy izahay.

* Angataho amin’ny Tompo mba hivelona amin’ny teny rehetra miloaka ny vavan’Andriamanitra isika vahoaka kristianina, amin’izao andro iomanantsika hankalazana ny Paka izao.
* Angataho amin’ny Tompo mba hilamina sy handry fahalemana izao tontolo izao, ary ho androm-pahasoavana sy famonjena ny andro iainantsika.
* Angataho amin’ny Tompo mba hiverina amin’Izy Andriamanitra ny mpanota sy ny varimbariana rehetra, amin’izao Karemy andro fibebahana izao.
* Angataho amin’ny Tompo mba hampian’Andriamanitra isika rehetra, hiezaka hankahala tokoa ny fahotana, ka hiala amin’izay rehetra mahatarika amin’ny ratsy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany (Fivoriana, Batemy, Mariazy, maty…)


Tompo ô, miverina aminao amin’ny fonay tokoa izahay vahoakanao, ka enga anie izay angatahinay amin’ny vavaka ataonay mba homenao fa be fitiavana Ianao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao Sorona fanao isan-taona anombohana ny Karemy izao: enga anie izahay miezaka hanao asa fivalozana sy hanao asa fiantrana mba tsy hoandevozin’ny filan’ny nofo ary hadio ho afa-pahotana, ka ho mendrika hankalaza ny Zanakao nijaly sy maty ho anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


Prefasy: Karemy IV.


Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay:

Fa ny fifadian-kanina ataonay no anaketrahanao ny haratsianay sy anondrotanao ny fanahinay, ka anomezanao anay hery sy valisoa amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay ideran’ny Anjely Anao avo indrindra, itsaohany fiandrianana Anao, anajan’ny fahefana Anao amin-tahotra ary iarahan’ny lanitra sy ny herin’ny lanitra ary ny Serafima sambatra sy ravo mankalaza ny voninahitrao.

Mihanta aminao izahay, avelao hikambana amin’ny feon’izy ireo ny feonay hihoby Anao sy hitalaho manao hoe: Masina, Masina, Masina ...


Kômonio

Sal. 1, 2-3

Izay mandinika ny lalàn’ny Tompo andro aman’alina dia hamokatra ara-potoana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, hanampy anay anie ny Kômonio noraisinay mba hankasitrahanao ny fifadian-kanina ataonay anio ary hanasitrananao ny fanahinay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.062