Sorona Masina ny Alahady 23 febroary 2020

ALAHADY FAHA-7 mandavantaona — A

NY FITIAVANA ATORON’I KRISTY

Tononkira fidirana

Sal. 12, 6

Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao, na amin’ny teninay na amin’ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Levitîka

Lev. 19, 1-2. 17-18

Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe: “Mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra, lazao aminy hoe: Aoka ho masina ianareo, satria masina Aho Andriamanitrareo. Aza mankahala ny namanao ao am-ponao, fa mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy, na manao an-dolom-po amin’ny zanaky ny firenenao. Fa tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. Izaho no Tompo Andriamanitrao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 102, 1-2, 3-4, 8 sy 10, 12-13


Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko: ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra, sy manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin’ny hady, manototra fitiavana sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika, na araka ny helotsika no avaliny antsika.
Tahaka ny atsinanana lavitry ny andrefana, ny hadisoantsika halaviriny amintsika.
Tahaka ny ray mangoraka ny zanany, ny Tompo mangoraka an’izay matahotra Azy.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 3, 16-23


Anareo ny zavatra rehetra, ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra? Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra, dia mba horavan’Andriamanitra kosa; satria masina ny tempolin’Andriamanitra, dia ianareo izany. Aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin’izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry. Satria ny fahendren’izao tontolo izao, dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: Ny hafetsen’ny hendry no hamandrihako azy; ary koa hoe: Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany. Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra, na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao, na fiainana na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny, na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany; ianareo kosa an’i Kristy, ary i Kristy an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 38-48

Tiavo ny fahavalonareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify. Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao, dia afoizo ho azy koa ny lambanao; ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana, miaraha aminy roa arivo. Omeo izay mangataka aminao, ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao. Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika sy manendrikendrika anareo; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ranon’orana amin’ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa? Ary raha ny havanareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin’ny ataonareo? Moa na dia ny Jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, nampianatra antsika hifankatia i Kristy, na tamin’ny teniny, na tamin’ny ohatra nomeny; koa amin’izao ranombavaka izao, aoka hiray fo amam-panahy isika hitalaho ny fahasoavany hanampy antsika hifankatia marina tokoa, araka ny faniriany.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Mivavaha isika ho an’ny Eglizy, mba tsy ho sasatry ny mampianatra ny fitiavan’i Kristy izy, na amin’ny teniny na amin’ny ataony, mba hahasambatra ny olombelona rehetra.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra Fanjakana isam-pirenena amin’ny ambaratonga samihafa, mba hitondrany ny vahoaka iadidiany araka ny rariny sy ny hitsiny, ka hampamerovero ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina hatraiza hatraiza.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra mijaly, indrindra ireo voan’ny ady sy ny fifanavakavahana isan-karazany: enga anie ny fandinihana sy ny fanarahana ny fampianaran’i Kristy, hanampy antsika hanamaivana ny fahorian’izy rehetra.
* Mivavaha ho antsika tonga miangona eto anio, mba hijoro ho tena mpianatr’i Kristy tokoa isika: ho vonon-kihavana amin’ny olona rehetra, ary hiasa hampanjaka ny fifankatiavana eo amin’izay misy antsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, masoandro be lohataona tokoa ny fitiavanao, ka tsy mifidy olon-kohasoavina; koa mihanta aminao izahay, mba ampio hanahaka Anao, ka hampanjaka ny fitiavana marina amin’ny olona rehetra ary ho mpitari-dalana amin’ny fanatanterahana izany didy maminao izany.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao Avo Indrindra mba hahazoanay ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra na Fampihavanana I (V Fisaorana faha-8)


Kômonio

Sal. 9, 2-3

Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao; ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.


na hoe:

Jo. 11, 27

Mino aho, ry Tompo, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay tonga eto amin’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin’izao mistery izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082