Sorona Masina ny Asabotsy 22 febroary 2020

22 Febroary NY FIKETRAHAN’I MD. PIERA APOSTOLY


Fankalazana

Hatra ny ela no efa nanokanan’ny kristianina ny 22 febroary ho andro hanomezam-boninahitra manokana ny fiketrahan’i Md. Piera ao Rôma, dia i Piera ilay mpanaraton’i Galilea voasandratra ho Mpiandry fara tampony ao amin’ny Fiangonan’i Kristy. Fa ny Fiangonana kosa ankehitriny, dia mahatsiaro indrindra ao anatin’izany ny asa manokana nanirahan’i Jesoa an’i Md. Piera, dia ny hanamafy ny finoan’ny rahalahiny. Tsy teny napetrak’i Jesoa ho an’i Md. Piera samirery anefa izany, fa miampita amin’ny Papa Dimbiny koa. Ary tsapantsika amin’izany ny adidy mavesatra iantsorohan’ny Papa amin’ny maha-fototra hita maso iorenan’ny vahoakan’Andriamanitra azy.
Hazavain’ny Litorzia amintsika anio àry fa ny finoan’i Md. Piera no vatolampy iorenan’ny Fiangonana, ary antitranteriny fa ny fihainoana sy ny fankatoavana ny Papa amin’ny maha-Dimbin’i Piera azy ka maha-filohan’ny Eglizy hita maso azy no hampiray finoana sy hampiadana ny olona rehetra ao anatin’ny fifankatiavana sy ny fahamarinana ka hahatonga azy any amin’ny lova mandrakizay.
Mivavaha isika ho an’ny Papa itambesaran’adidy mavesatra, ary mangataha amin’i Md. Piera mba haharitra amin’ny finoana hatramin’ ny farany isika.


Tononkira fidirana

Lk. 22, 32.

Hoy ny Tompo tamin’i Simôna Piera: Nivavaka ho anao Aho mba tsy ho diso ny finoanao, ary rahefa mibebaka ianao, dia hamafiso ny rahalahinao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mihanta aminao izahay: aoka tsy havelanao hohozongozonin’ny fikorontanana ny finoanay fa efa naorinao tamin’ny Apostôly, vatolampy iorenan’ny finoana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ... Amen.


Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pier. 5, 1-4


Pretra toa azy koa aho ary vavolombelon’ny fijalian’i Kristy.

Ry malala, mihanta amin’ny Pretra eo aminareo aho, dia izaho izay Pretra toa azy koa, sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy, ary mpiombona amin’ny voninahitra izay haseho koa: fahano ny ondrin’Andriamanitra napetraka hiandraiketanareo; aoka ianareo hitandrina azy ireo, tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra; tsy amim-pitiavam-bola fa an-jotom-po; tsy amim-pizakazakana ny Eglizy, fa amim-pisehoana ho fakan-tahaky ny ondry; ka rahefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia handray satroboninahitra tsy mety simba ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6.


Fiv.: Ny Tompo no mpiandry ahy, tsy orin’inona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho:
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy.

Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko; ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!

Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana no manjohy amin’ny fiainana tontolo;
ny tranon’ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

na: Dera sy haja ho anao, ry Jesoa Tompo. (Karemy)

Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.

Aleloia.

EvanjeIy Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 16, 13-19.


Ianao no Piera, ary homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, nony tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany nanao hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?” Ary hoy ireo: “Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?” Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: “Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany dia ho voavaha koa any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Raiso, ry Tompo, ny vavaka sy ny sorona atolotry ny Eglizinao fa i Masindahy Piera no mpiandry azy, ka enga anie hahatana tsara ny finoana nampianariny izy mba ho tody any amin’ny lova mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Apôstôly


Kômonio

Mt. 16, 16. 18.

Hoy i Piera tamin’i Jesoa: Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona. Hoy kosa i Jesoa namaly azy: Ianao no Piera Vatolampy; ilay Vatolampy hanorenako ny Egliziko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, mankalaza an’i Masindahy Piera Apôstôly izahay ary novelominao tamin’ny Vatana aman-dRan’i Kristy; koa mihanta aminao: enga anie ny fanavotana azonay hampiray finoana anay sy hampiadana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078