Sorona Masina ny Alakamisy 20 febroary 2020

Herinandro faha-6 mandavantaona

ALAKAMISY

 

Tononkira fidirana

Sal. 30, 3-4

 

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.

 

Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin’ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 2, 1-9

 

Moa tsy ny mahantra no nofidin’Andriamanitra? Fa ianareo kosa ny mahantra indray no alànareo baràka.

Ry kristianina havana, aza asiana fizahan-tavan’olona ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika be voninahitra. Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy saro-bidy ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana, ka ilay mitafy saro-bidy no jerenareo sy ataonareo hoe: “Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha”; fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe: “Mitsangàna erý”, na “mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro”; moa tsy miangatra va ianareo amin’izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra?

Henoy ange, ry kristianina havana: Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy? Ary ianareo kosa ka ny mahantra indray no alanareo baràka! Moa tsy ny mpanan-karena va no mampahory anareo, sy mitarika anareo ho any amin’ny fitsarana? Ary moa tsy izy ireny ihany koa va no miteny ratsy ny anarana tsara iantsoana anareo? Raha ianareo mitandrina ny didy ambony indrindra voalazan’ny Soratra Masina hoe: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, dia manao tsara ianareo; fa raha mizaha tavan’olona kosa ianareo, dia manota, ka helohin’ny Lalàna ho mpanota.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 33, 2-3. 4-5. 6-7.

 

Fiv.: Itý olo-mahantra: velon’antso ka novalian’ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.

Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko; mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Mankalazà ny Tompo miaraka amiko; miaraha isika midera ny Anarany!

Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny; ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana; ny tavanareo tsy hangaihay.

Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 8, 27-33

 

Ianao no Kristy. Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo, ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho?” Ary ireo namaly Azy, nanao hoe: “I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany.” Hoy Izy tamin’izy ireo: “Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?” Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: “Ianao no i Kristy.” Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza. Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’Olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe: “Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an’izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak’i Israely ka voky, nomen’ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.

 

na hoe:

Jo. 3, 16

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0616