Sorona Masina ny Asabotsy 15 febroary 2020

Herinandro faha-5 mandavantaona

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7

 

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Baky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 12, 26-32 ; 13, 33-34

 

Nanao zanak’omby volamena roa i Jerôbôama

Tamin’izany andro izany, hoy i Jerôbôama anakampony: “Mba mety ho tafaverina amin’ny tranon’i Davida ihany ny fanjakana izao. Raha miakatra hanao sorona any an-tranon’ny Tompo any Jerosalema ny vahoaka, hitodika ny fon’itý vahoaka itý hankany amin’ny Tompony indray, amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà, dia hamono ahy ka hiverina amin-dRôbôama mpanjakan’i Jodà.” Dia nandinidinika ny mpanjaka, ka nanao zanak’omby volamena roa ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: “Efa ela niakarana tany Jerosalema ianareo, ry Israely, itý no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta.” Ny iray napetrany tao Betela, ary ny iray kosa tany Dana. Nahatonga fahotana izany fa lasa hatrany Dana hivavaka amin’ny anankiray amin’ireo ny vahoaka. Nanao trano ho fitoerana avo i Jerôbôama, ary namorona mpisorona nalainy tamin’ny vahoaka fa tsy isan’ny taranak’i Levi. Nisy fety noforonin’i Jerôbôama tamin’ny volana fahavalo tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana ho fanahafana ny fety fanao amin’i Jodà, dia nanatitra sorona teo ambony ôtely izy. Toy izany no nataony tao Betela, mba hanaovan’ny olona sorona amin’ireo zanak’omby nataony, ary nampitoerany tao Betela ny mpisoron’ireo fitoerana avo, izay natsangany. Taorian’izany zava-niseho izany, mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jerôbôama, fa mbola nanangana mpisoron’ny fitoerana avo, avy amin’ny vahoaka ihany izy, ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron’ny toerana avo izy. Nampisy fahotana momba ny tranon’i Jerôbôama izany ka io no antony nandringanana sy namongorana azy teto ambonin’ny tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 105, 6-7a. 19-20. 21-22

 

Fiv.: Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Nanota toy ny razanay izahay, nanao izay meloka sy ratsy! Ny razanay tany Ejipta tsy nahatsapa ny asanao mahagaga.
Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby, niankohoka tamin-tsary anidina. Ilay voninahiny dia natakalony sarin’ombilahy homana ahitra!
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy, Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta, zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama, zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 8, 1-10

 

Nihinana ny olona ka voky.

Tamin’izany andro izany: nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Mampalahelo ahy itý vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina; ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany.” Dia hoy ny mpianany namaly Azy: “Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra?” Ary Izy nanontany azy hoe: “Manana mofo firy ianareo?” “Fito”, hoy izy ireo. Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany, ary nozarainy tamin’ny vahoaka. Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy, ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina. Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika. Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana; dia nampodiny. Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.

 

na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halàna alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086