Sorona Masina ny Zoma 14 febroary 2020

Herinandro faha-5 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7

 

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 11, 29-32 ; 12, 19

 

Niendaka tamin’ny tranon’i Davida i Israely.

Tamin’izany andro izany, raha nivoaka avy tao Jerosalema i Jerôbôama dia nifanojo teny an-dalana tamin’i Ahiasa mpaminany, avy any Silao, sy nitafy kapaoty vaovao: izy roalahy ihany no tany an-tsaha tamin’izany. Nalain’i Ahiasa ny kapaoty vaovao teny aminy, ka norovidrovitiny ho roa ambin’ny folo, dia hoy izy tamin’i Jerôbôama: “Raiso ho anao ny tapany folo, fa izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Indro, hendahako avy eo an-tanan’i Salômôna ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo, fa ny foko iray ihany no sisa azy, noho ny amin’i Davida mpanompoko sy noho ny amin’i Jerosalema, tanàna voafidiko tamin’ny fokon’i Israely rehetra.” Toy izany no niendahan’i Israely tamin’ny tranon’i Davida mandraka androany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 80, 10-11ab. 12-13. 14-15

 

Fiv.: Izaho no Tompo Andriamanitrao, mihainoa ny teny hambarako anao.

Tandremo mitsaoka andriamani-kafa.
Mandray ny andriamanitr’ireo vahiny;
f’izaho re no Tompo Andriamanitrao.
Nampakatra anao avy tany Ejipta.

Kinanjo ny oloko tsy nihaino.
I Israely nanosika Ahy!
Izao izy avelako hanao ny tiany.
Hanaraka tsara izay sitrapony.

Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako.
Ka i Israely nanaraka Ahy:
dia ho noreseko ny fahavalo.
Ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 7, 31-37

 

Nampalady ny marenina sy nampiteny ny moana Izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira, ary namaky ny faritanin’i Sidôna ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapaoly. Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy sy nangatahany mba hametrahany tanana. Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy, ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany. Rahefa izany dia niandrandra ny lanitra Izy, sady nisento ary nanao taminy hoe: “Efeta, izany hoe, misokafa.” Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy, ary norarany ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza; fa araka ny nandrarany azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza; sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: “Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.

 

na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halàna alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744