Sorona Masina ny Alatsinainy 10 febroary 2020

Herinandro faha-5 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7

 

Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.

 

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 8, 1-7. 9-13

 

Nentiny teo amin’ny fitoerany ny fiara faneken’ny Tompo, ao amin’ny fitoerana masina indrindra ka nameno ny tranon’ny Tompo ny rahona.

Tamin’izany andro izany, novorin’i Salômôna tao aminy, tany Jerosalema, avokoa ny loholon’i Israely, sy ny lehibe rehetra isam-pokony, ary ny filoham-pianakavian’ny zanak’i Israely, mba hamindra ny fiaran’ny faneken’ny Tompo avy amin’ny tanànan’i Davida, izany hoe any Siôna. Ka nivory tao amin’i Salômona mpanjaka avokoa ny lehilahy rehetra amin’i Israely, tamin’ny fety, amin’ny volana Etanima, volana fahafito. Nony tonga ny loholona rehetra amin’i Israely, dia nentin’ny mpisorona ny fiara. Nentiny ny fiaran’ny Tompo mbamin’ny trano lay fihaonana sy ny fanaka voahasina rehetra izay tao amin’ny trano lay, ka ny mpisorona sy ny Levita no nitondra ireo. Ary i Salômôna mpanjaka sy ny fiangonan’i Israely rehetra izay nantsoiny ho eo aminy, dia niaraka taminy teo anoloan’ny fiara. Ondry sy omby tsy hita isa sy tsy tambo isaina noho ny hamaroany no novonoiny ho sorona. Dia nentin’ny mpisorona teo amin’ny fitoerany ny fiaran’ny faneken’ny Tompo, dia tao amin’ny fitoerana masin’ny trano, ao amin’ny fitoerana masina indrindra, teo ambonin’ny elatry ny kerobima. Fa namelatra ny elany tambonin’ny fitoeran’ny fiara ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony teo amboniny. Tao anatin’ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak’i Môizy tao, tany an-tendrombohitra Hôreba, fony ny Tompo nanao fanekena tamin’ny zanak’i Israely, tamin’ny nivoahany avy tany amin’ny tany Ejipta. Nony nivoaka avy tao amin’ny fitoerana masina ny mpisorona dia nameno ny tranon’ny Tompo ny rahona, ka tsy nahajanona hanao ny fanompoany tao ny mpisorona, noho ny amin’ny rahona, fa nameno ny tranon’ny Tompo ny voninahitry ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 131, 6-7. 8-10

 

Fiv.: Midira ato an-trano fonenanao re, ry Tompoko!

Indro lazaina hoe any Efrata ny fiarany, anatin’ny saha manodidina eo no napetrany! Midira ao an-tranon’ilay Masin’ny Masina! Midira ao an-kianjany, miankohofa anoloany!
Midira ato an-trano fonenanao re, ry Tompoko! Ka ento mba hiditra ilay Fiaranao Masina. Ny olam-boahosotra anie hitandro ny rariny. Hifaly, hihoby, hidera Anao ny mpivavaka! Ny tavan’ilay voahosotra aza atosika, tsarovy i Davida mpanomponao re, ry Tompoko!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 53-56

 

Izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

Tamin’izany andro izany, nony tafita i Jesoa sy ny mpianany, dia nitody tao Genezareta ka niantsona teo. Ary rahefa niala tao an-tsambo kely izy ireo, dia nahalala an’i Jesoa niaraka tamin’izay ny olona, ka lasa nitety ny manodidina, ary rafitra nitatitra ny marary tamin’ny fandriana ho any amin’izay reny fa misy Azy. Na taiza na taiza nalehany, na tamin’ny vohitra, na tany an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraky ny olona teo an-kianja ny marary, sady niangavy taminy mba havelany hanendry na dia ny sahondran’akanjony ihany aza, ka izay rehetra nanendry Azy dia sitrana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.

 

na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halàna alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081