Sorona Masina ny Alakamisy 06 febroary 2020

Herinandro faha-4 mandavantaona

ALAKAMISY

 

Tononkira fidirana

Sal. 105, 47

 

Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin’ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin’ny fiderana Anao!

 

Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 2, 1-4. 10-12

 

Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho itý, ka mahereza ianao, ry Salômôna, misehoa ho lehilahy.

Nony efa akaiky ny andro hahafatesan’i Davida, dia nandidy an’i Salômôna zanany izy, nanao hoe: “Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho itý, ka mahereza ianao, misehoa ho lehilahy. Tandremo ny fanompoana ny Tompo Andriamanitrao, fa araho ny lalàny, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, mba hahomby ianao amin’izay ataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao, ka dia hotanterahin’ny Tompo ilay teny nilazany ny amiko hoe: “Raha mitandrina ny diany ny zanakao, ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin’ny fony rehetra dia tsy ho lany taranaka ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.”

Dia nandry any amin’ny razany i Davida, ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. Efapolo taona no andro nanjakan’i Davida tamin’i Israely, ny fito taona nanjakany tany Hebrôna, ary ny telo amby telopolo taona tao Jerosalema. Ary i Salômôna nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy, ary niorina tsara ny fanjakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo: 1 Tant. 19, 10. 11ab. 11d-12a. 12bde

 

Fiv.: Ianao, ry Tompo, no manjaka amin’izao rehetra izao.

Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay:
hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibeazana sy hery,
ny hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.

Anao ny zava-drehetra: na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny Fanjakana, sy ny fisandratana ho Lohan’ny zava-drehetra.

Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
Ianao no manjaka amin’ny zavatra rehetra!
An-tananao ny hery sy ny tanjaka!
Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 6-13

 

Nanomboka naniraka azy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany, niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa, ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto. Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany, fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa. Ary hoy koa Izy taminy: “Na aiza na aiza halehanareo, dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo. Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo, dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.” Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy, sy nandroaka demony maro, ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, aterinay eto amin’ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.

 

na hoe:

Mt. 5, 34

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra; sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0509