Sorona Masina ny Asabotsy 01 febroary 2020

Herinandro faha-3 mandavaotaona

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1. 6

 

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin’ny toerany masina.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 12, 1-7a. 10-17

 

Nanota tamin’ny Tompo aho.

Tamin’izany andro izany: Naniraka an’i Natàna ho any amin’i Davida ny Tompo, ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: “Nisy olona roa lahy tao amin’itý tanàna anankiray; ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra. Omby aman’ondry sesehena no an’ilay mpanan-karena; fa ondrivavy kely anankiray novidiny no mba an’ilay mahantra. Nompiany izy ka nitombo tao aminy niaraka tamin’ny zanany, nihinana tamin’ny mofony, nisotro tamin’ny kapoakany, natory teny an-trotroany, ary nataony toy ny zanany vavy. Nanam-bahiny kosa ilay mpanan-karena, nefa tsy nety naka tamin’ny ondriny na ny ombiny izy hanamboarana sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy; fa ny ondrivavin’ilay mahantra no nalainy sy namboariny, ho an’ilay olona tonga tao aminy.” Nirehitra fatratra tamin’izany olona izany ny fahatezeran’i Davida, ka hoy izy tamin’i Natàna: “Raha velona koa ny Tompo dia marina raha tsy mendrika ny hovonoina izay olona nanao izany, ary ilay ondrivavy honerany efatra heny, noho izy nahavita an’izany sy tsy nanana antra.” Dia hoy i Natàna tamin’i Davida: “Tsy iza fa ianao izany olona izany. Koa ankehitriny noho ianao nanamavo Ahy, sy naka ny vadin’i Oria Heteanina, ho vadinao, dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra. Izao no lazain’ny Tompo: Indro fa ny ankohonanao, hananganako ny loza hihatra aminao; ny vadinao hotsoahiko eo imasonao, ka homeko ny mifanolo-bodirindrina aminao, izay handry aminy eo anatrehan’izao masoandro izao; fa ianao dia mangingina no nanaovanao izany, ary Izaho kosa dia eo imason’i Israely rehetra sy anatrehan’izao masoandro izao no hanaovako izany.” Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: “Nanota tamin’ny Tompo aho.” Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: “Navelan’ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty ianao. Nefa nampanesoinao ny Tompo ny fahavalony tamin’izany zavatra nataonao izany ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao.” Dia lasa nankany an-tranony i Natàna Ary nasian’ny Tompo ny zaza nateraky ny vadin’i Oria, tamin’i Davida, ka nandraiki-narary mafy.

Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida sady nifady hanina; ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina. Ka niangavy mafy taminy ny loholona tao an-tranony, mba hampiarina azy amin’ny tany; nefa tsy nety izy, ary tsy niara-nihinana tamin’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 50, 12-13. 14-15. 16-17

 

Fiv.: Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko, sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko, dia tolory fanahy tena mendrika. Ny mpanota hotoroako lalana, aminao no tsy maintsy hiverenany.
Mba fafao amin’izay ny tomaniko, hilazako fa Ianao no hany marina. Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hidera tokoa izany vavako.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina rlosoratan’i Md. Marka

Mk. 4, 35-40

 

Iza itý no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomosina?

Tamin’izany andro izany, hariva ny andro, ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe: “Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.” Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: “Ry Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?” Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: “Mangina, mitonia.” Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?” Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: “Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

 

Na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746