Sorona Masina ny Alatsinainy 27 janoary 2020

Herinandro faha-3 mandavaotaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1. 6

 

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin’ny toerany masina.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 5, 1-7. 10

 

Ianao no hamahana an’i Israely oloko.

Tamin’izany andro izany, dia tonga tany Hebrôna amin’i Davida ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe: “Indreto izahay fa taolanao sy nofonao ihany izahay. Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no mitondra an’i Israely nivoaka sy niditra. Ary ny Tompo nilaza taminao nanao hoe: Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andrian’i Israely.” Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Isarely; ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany, teo anatrehan’ny Tompo, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo. Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka, ary efapolo taona no andro nanjakany. Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana, ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra telo amby telopolo taona. Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema, hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany. Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe: “Tsy ho tafiditra atý ianao, fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.” Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida. Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna; ny tanànan’i Davida izany. Nandroso nihambony hatrany hatrany i Davida, ary nomba azy ny Tompo Andriamanitry ny tafika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 88, 20. 21-22. 25-26

 

Fiv.: Ny Fahamarinana sy ny hatsaram-poko hanjohy azy.

Indray andro, niteny tamin-tsindrimandry Ianao, nanao tamin’ny voafidinao hoe: Nanandratra olo-mahery iray Aho; nanambony olom-boafidy tamin’ny vahoaka.
I Davida mpanompoko no sitrako: ka nohosorako ilo masina. Ny tanako homba azy; ny sandriko hankahery.
Ny Fahamarinana sy Hatsaram-poko hanjohy azy; ny Anarako hanandratra ny tandrony! Hapetrako eo amin’ny ranomasina ny tanany anila, ary eo amin’ny ony lehibe ny tanany anila!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 3, 22-30

 

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany, ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe: “Efa azon’i Belzeboba Izy, ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.” Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe: “Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana? Raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany; ary raha misy fianakaviana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fianakaviana izany: koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna, ka miady an-trano, dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny. Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony. Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra, sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra; fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, fa manam-pahotana mandrakizay. Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

 

Na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112