Sorona Masina ny Alahady 26 janoary 2020

ALAHADY FAHA-3 mandavantaona — A

MASOANDRO BE LOHATAONA I KRISTY KA TSY MIFIDY OLON-KOSOAVINA

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1. 6;

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no ao amin’ny toerany masina.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay, mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 8, 23b - 9, 3

Nahita hazavan-dehibe ny vahoaka, tany Galilean’ny Jentily.

Toy ny nanotofan’ny andro taloha fahafahambaràka ny tany Zabolôna sy ny tany Neftali no hamenoan’ny andro farany voninahitra, ny lalan’ny ranomasina, ny tany an-dafin’i Jordany, ary ny faritanin’ny firenena. Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito, nahita mazava lehibe; ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan’ny mazava. Nampitombo ny vahoakanao ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo. Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoraka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 26, 1.4.1-14

 

Fiv.: Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, hany ataoko aminao, ô ry Tompo: ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra iainako.
Matoky aho fa ny hasoan’ny Tompo ho hitako any amin’ny tanin’ny velona. Mahandrasa ny Tompo, marisiha; mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 1, 10-13. 17

 

Aoka hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana ao aminareo.

Ry kristianina havana, mihanta aminareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amimpiraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo. Reko tamin-dry i Klôe anie ny aminareo e, fa hoe misy fifandirana ao aminareo; izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe: “Izaho an’i Paoly”; ny sasany kosa manao hoe: “Izaho an’i Apôlô”, na: “Izaho an’i Sefasy”. Voazarazara va i Kristy? Ary i Paoly va no voafantsika tamin’ny Hazofijaliana ho anareo? Sa tamin’ny anaran’i Paoly no natao Batemy ianareo? Tsy ny hanao Batemy no nanirahan’i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 4, 12-23 (lava) 12-17 (fohy)

Tonga tao Kafarnaôma Izy mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia mpaminany.

Tamin’izany andro izany, nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa Izy nankany Galilea; ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisintanin’i Zabolôna sy Neftalî ka nonina tao, mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe: Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftalî, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, i Galilean’ny Jentily; ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava. Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe: “Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra”.

 

Eto no mjanona raha ny fohy no atao, tohizina raha ny lava.

Ary raha nitsangantsangana teny amoron’ny ranomasin’i Galilea i Jesoa, dia nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny, nanarato tao amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Dia hoy Izy taminy: “Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo”. Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy. Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy. Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mangataha amin’Andriamanitra mba hifidy olona mandrakariva Izy, ho Apôstôly hanaiky handao ny zavatra rehetra hanarahana an’i Jesoa Kristy; ary mivavaha ho an’ireo olona eo amin’izao tontolo izao, miezaka hampandroso ny Fanjakan’Andriamanitra.

Fiv.: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Mila misiônera hitrandraka tany vao mandrakariva ny Eglizy, koa mivavaha ho an’ny Eveka sy ny Pretra mba homen’Andriamanitra finoana sy zotom-pon’Apôstôly izy rehetra, ary mba ho maro ireo manaiky ny antson’ny Tompo, hanatevin-daharana azy koa.
* Mivavaha ho an’ireo kristianina miandraikitra fanasoavam-bahoaka sy mpitondra fanjakana, mba hohazavain’i Kristy mandrakariva izy, ka hanasoa ny karazan’olona rehetra.
* Maro ny ory sy mijaly, ireo mahantra sy marary ary izay heverina ho ambin’olona; koa mangataha amin’ny Tompo mba hisy vonona mandrakariva hanamaivam-pahoriana azy ireny sy hitondra ny Fahazavan’i Kristy hanazava azy.
* Maro ny vahoaka no mbola tsy nandre ny Evanjely, koa mangataha amin’Andriamanitra mba ho kristianina feno finoana sy mirehi-pitiavana isika, hitondra ny hafatra soan’ny Evanjely, hahafeno ny hasambarany.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, mbola tetezo ankehitriny ny lalana ety aminay, hifidiananao Apôstôly; ary ampio izahay hahafoy izay tokony hilaozana, hahatonga anay ho mpanarato olona, eo amin’ny toerana tianao hanirahana anay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady I, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

 

na hoe:

Jo. 8, 1 2

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008