Sorona Masina ny Zoma 24 janoary 2020

Herinandro faha-2 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 65, 4


Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 24, 3-21


Noho izy voahosotr’Andriamanitra dia tsy hamely azy amin’ny tanako aho.

Tamin’izany andro izany, naka telo arivo lahy voafantina tamin’i Israely rehetra i Saola ka nandeha nitady an’i Davida sy ny olony, hatrany amin’ny vatolampin’ny osy dia. Tonga tamin’ny valan’ondry izay tao amoron-dalana izy ary nisy zohy tao ka nidiran’i Saola hiavela; nefa i Davida sy ny olony izany, nipetraka tao amin’ny faravodi-zohy. Ary hoy ny olon’i Davida taminy: “Itý no andro holazain’ny Tompo aminao hoe: Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy izay sitrakao.” Dia nitsangana i Davida ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin’i Saola. Nitepotepo mafy ny fon’i Davida taorian’izany, noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin’i Saola. Ka hoy izy tamin’ny olony: “Hampanalavirin’ny Tompo ahy anie, ny hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko, izay voahosotry ny Tompo, ka hamely azy amin’ny tanako, satria izy no ilay voahosotry ny Tompo.” Izany no nisakanan’i Davida ny olony sy tsy namelany azy hiantoraka amin’i Saola. Dia nitsangana i Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany. Izay i Davida vao nitsangana koa sy nivoaka ny zohy ary rafitra niantsoantso an’i Saola nanao hoe: “Ry mpanjaka tompoko ô!” Niherika nijery i Saola, dia niondrika tamin’ny tany i Davida ka niankohoka. Ary hoy i Davida tamin’i Saola hoe: “Nahoana ianao no dia maka ny vavan’olona hoe: Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida? Kanefa indro nahita maso ianao androany izay nanoloran’ny Tompo anao teo an-tanako androany tao an-johy, ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao. Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho: tsy haninjitra ny tanako amin’ny tompoko aho, fa voahosotry ny Tompo izy. Jereo kely ange, ry ikaky, jereo itý sisin-kapaotinao eto an-tanako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Ianao kosa, manenjika ny aiko hanala azy amiko! Ka aoka ny Tompo no hitsara ahy sy ianao ary aoka ny Tompo no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy hamely anao. Ny ratsy fanahy no iavian’ny haratsiam-panahy, hoy ny ohabolana fahagola, koa tsy hamely anao ny tanako. Hanenjika an’iza moa no dia niaingàn’ny mpanjakan’i Israely? Iza no enjehinao? Amboa maty ve? parasy ve? Aoka ny Tompo hitsara ahy sy ianao, ary hanapaka ny amintsika. Aoka hitsinjo sy handahatra ho ahy Izy, ka hanafaka ahy amin’ny tananao ny didim-pitsarany.

Nony vitan’i Davida ny filazana izany teny izany tamin’i Saola, dia hoy i Saola: “Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô!” Sady nanandra-peo i Saola ary nitomany. Hoy izy tamin’i Davida: “Marina noho izaho ianao, fa soa no nataonao tamiko, nefa ratsy kosa no navaliko anao. Nasehonao ny hatsaram-ponao amiko androany fa nanolotra ahy eo an-tananao ny Tompo, nefa ianao kosa tsy nahafaty ahy. Raha misy olona mifanena amin’ny fahavalony, moa avelany hanohy ny diany soa aman-tsara va izy? Hovalian’ny Tompo soa anie ianao, noho izay nataonao tamiko androany izay. Ary ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka ianao, ary ho tafatoetra eo an-tananao ny fanjakan’i Israely.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 56, 2. 3-4. 6 sy 11


Fiv.: Iantrao aho, ry Andriamanitra, iantrao.

Iantrao aho, ry Andriamanitra, iantrao! Ianao no ifefen’ny fanahiko; ny aloky ny Elatrao no ifefeko mandra-pidifin’ny loza!
Izaho miantso an’Andriamanitra Avo indrindra, Ilay Mpamaly ny ratsy atao ahy. Izy maniraka avy any an-danitra, ka mamonjy ahy amin’ny tanan’ny mpanosy!
Misandràta, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra! Eran’ny tany tontolo ny Voninahitrao! Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao: mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny Kristianina Hebrio

Heb. 8, 6-13


Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa Izy.

Ry kristianina havana, ankehitriny dia voatendry hanao fandraharahana ambony lavitra i Kristy Mpisorombentsika fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa. Eny tokoa, satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany, dia tsy misy antony hanoloan’ny faharoa azy akory. Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra no miteny toy izao: “Indro, hoy ny Tompo, ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao amin’ny fianakavian’i Israely sy ny fianakavian’i Joda; tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo, tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy”, hoy ny Tompo; fa fanekena toy izao kosa no hataoko amin’ny fianakavian’i Israely, rahefa afaka izany andro izany”, hoy ny Tompo: “Halatsako ao an-tsainy ny Lalàko, ary hosoratako ao am-pony; ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo, ary izy kosa ho vahoakako. Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy, na hanao amin’ny rahalahiny hoe: Mahalalà an’Andriamanitra. Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Satria havelako ny hadisoany, ary tsy ho tsaroako ny fahotany.” Manambara ny voalohany ho efa antitra Izy, amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao; ary izay hoe tranainy sy efa antitra dia efa madiva ho levona mihitsy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 84, 8 sy 10. 11-12. 13-14.


Fiv.: Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana.

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao! Omeo anay ny famonjenao. Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny, ka honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana: mitrebona an-tany ny fahamarinana, mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo, ka ny tanintsika manome ny vokany. Ny rariny mizotra eo anoloany; ny fiadanana eo amin’ny soritry ny diany!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 3, 13-19


Niantso izay tiany hankeo aminy Izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera; ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba, izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy, izany hoe zana-baratra; ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty, ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.


Na hoe:

1 Jo. 4, 16

Isika efa nankalaza sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1899