Sorona Masina ny Alakamisy 23 janoary 2020

Herinandro faha-2 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 65, 4


Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 18, 6-9 ; 19, 1-7


Tadiavin’i Saola raiko hovonoina ianao.

Tamin’izany andro izany: tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistinina, dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’i Israely rehetra ny vehivavy, nihira, nandihy teo anoloan’i Saola mpanjaka, an-kafaliana tamin’ny feon’ny ampongatapaka sy ny valiha. Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe: “Arivoarivo no matin’i Saola. Fa alinalina kosa, ny an’i Davida.” Tezitra mafy i Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: “Ny an’i Davida nataony alinalina fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony.” Hatramin’izay andro izay dia ratsy fijery an’i Davida i Saola. Niresaka tamin’i Jônatasy zanany sy ny mpanompony rehetra i Saola ny amin’izay hahafaty an’i Davida. Fatratra kosa anefa ny fitiavan’i Jônatasy zanak’i Saola an’i Davida. Koa nampandre an’i Davida i Jônatasy nanao hoe: “Tadiavin’i Saola raiko hovonoina ianao ka mitandrema tena rahampitso maraina, mihataha ka miere. Ary hivoaka aho ka ho eo anilan’i dada amin’ny saha misy anao ka hiresaka amin’i dada ny aminao, dia ho hitako izay heviny, ka hampandrenesiko anao.” Nilaza soa an’i Davida tamin’i Saola rainy i Jônatasy, fa hoy izy taminy: “Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin’i Davida mpanompony, satria tsy nanota taminao izy. Fa vao mainka koa soa ho anao aza ny nataony rehetra, nanao vy very ny ainy, namono an’ilay Filistinina izy, ka izy no nanaovan’ny Tompo famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra. Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany. Ka ahoana no hanotanao amin’ny ra tsy manan-tsiny, amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?” Nihaino ny tenin’i Jônatasy i Saola, ka nianiana i Saola nanao hoe: “Velona ny Tompo, tsy hovonoina i Davida!” Dia nantsoin’i Jônatasy i Davida ary nilazan’i Jônatasy izany teny rehetra izany, vao nentin’i Jônatasy nankeo amin’i Saola i Davida, ka nitoetra teo anatrehany, toy ny taloha indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 55, 2-3. 9-10ab. 10d-11. 12-13.


Fiv.: Andriamanitra no itokiako, tsy hatahotra aho.

Iantrao aho, ry Andriamanitra, fa hosena; tontolo andro viraviraina; tontolo andro hosen-drafilahy; ifarimbonan’ny maro iadiana!
Ny nirenireneko voasoratrao ao amin’ny Bokinao; ny ranomasoko voaangonao ao an-tsiny kelinao! Ny fahavaloko hiamboho amin’ny andro hiantsoako.
Fantatro izany, fa Andriamanitra momba ahy! Andriamanitra izay deraiko ny Teniny!
Andriamanitra, hoy aho, no itokiako: tsia, tsy matahotra aho: hahavita inona amiko izay nofo? Eny, adidiko, ry Andriamanitra, ny voadiko taminao; hatolotro ny sorom-pisaorana Anao.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 7, 25 — 8, 6


Indray mandeha monja Izy no nanolotra fanatitra tamin’ny nanolorany ny tenany.

Ry kristianina havana, i Jesoa no mahavonjy marimarina izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy ireo. Eny tokoa, dia Mpisorombe toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra; ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorombe hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa; fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy. Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorombe: fa ny tenin’ny fianianana taorian’ny Lalàna kosa dia manendry ny Zanaka, izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay. Fa izao no tompon’ny zavatra lazaina amin’izao, dia ny ananantsika Mpisorombe toy izany, izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra, mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin’olona, fa naorin’ny Tompo. Satria ny mpisorombe rehetra, dia tendrena mba hanolotra fanatitra sy sorona, ka tsy maintsy mba manan-katolotra koa izy. Raha etý an-tany, dia tsy mba ho mpisorona akory izy, satria misy rahateo izay manolotra fanatitra araka ny Lalàna; ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: “Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.” Fa ny azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra, fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17.


Fiv.: Intý aho tamy, Tompoko. Ny manao ny sitrakao no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, nosokafanao manko ny sofiko. Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana: ka hoy aho hoe: «Intý aho tamy.»
«Voasoratra ao amin’ny Boky ny momba ahy! Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro no mamiko! Eny, ato anatin’ny foko ny Lalànao!»
Torìko ao am-piangonam-be ny fahamarinanao. Fantatrao, ry Tompo; tsy akomboko ny molotro.
Fa hifaly sy hiravo aminao kosa izay rehetra mitady Anao; ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe: «Lehibe ny Tompo!»


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 3, 7-12


Niantso ny fanahy ratsy nanao hoe: “Ianao no zanak’Andriamanitra”, fa norarany izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

Tamin’izany andro izany: Lasa nankany amin’ny ranomasina niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa, ary maro ny olona avy tany Galilea no nanaraka Azy. Ary maro koa no tany Jodea sy Jerosalema, sy tany Idomea, sy tany an-dafin’i Jordany, ary tamin’ny tany manodidina an’i Tira sy Sidôna no nankeo aminy nony nandre ny nataony. Ary nilaza tamin’ny mpianany Izy mba hanomana sambo kely hiandry Azy eo noho ny habetsahan’ny vahoaka fandrao dia poritin’ny olona Izy. Fa nahasitrana olona betsaka Izy, ka nifanesika hanendry azy izay rehetra nanana aretina. Ary raha nahita Azy koa ny fanahy maloto, dia miankohoka eo anatrehany ka miantso Azy hoe: “Ianao no zanak’Andriamanitra”; fa rarany sy rahonany mafy izy ireo mba tsy hanao izay hahafantarana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.


Na hoe:

1 Jo. 4, 16

Isika efa nankalaza sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084