Sorona Masina ny Alatsinainy 20 janoary 2020

Herinandro faha-2 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 65, 4


Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 15, 16-23


Tsara noho ny sorona ny fanekena; koa harian’ny Tompo tsy ho mpanjaka intsony koa ianao.

Tamin’izany andro izany, hoy i Samoela tamin’i Saola: “Aoka izay, fa hambarako anao izao izay nolazain’ny Tompo tamiko halina.” Dia hoy i Saola taminy: “Lazao.” Hoy i Samoela: “Moa tsy tonga filohan’ny fokon’i Israely ianao fony ianao mbola kely teo imasonao? Ary moa tsy nohosoran’ny Tompo ianao ho mpanjaka amin’i Israely? Nirahin’ny Tompo handeha amin’ny lalana ianao, nataony hoe: Mandehana, ataovy anatema ireo mpanota ireo, ny Amalesita, ary miadia aminy, mandra-pandringana azy. Nahoana itý ianao no tsy nihaino ny feon’ny Tompo, fa nanao hitsin-dalana tamin’ny babo, sy nanao izay ratsy eo imason’ny Tompo?” Dia hoy i Saola tamin’i Samoela: “Eny tokoa, nihaino ny feon’ny Tompo aho ary nandeha tamin’ny lalana nanirahan’ny Tompo ahy. Nentiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka ary i Amaleka nataoko anatema. Ary ny vahoaka naka tamin’ny ondry sy ny omby izay santatry ny anatema mba hanaovana sorona amin’ny Tompo Andriamanitrao any Galgalà.” Fa hoy i Samoela: “Moa sitraky ny Tompo tahaka ny fanekena ny tenin’ny Tompo va ny sorona dorana sy fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy. Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’ny Tompo, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 49, 8-9. 16bd-17. 21 sy 23


Fiv.: Izay mandeha amin’ny marina dia hohetsahiko amin’ny vonjiko.

Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao; na ny sorona doranao izay anoloako lalandava! Ahoako inona izay vantotr’omby ao an-tranonao na izay osilahy ao am-pahitrao?
Ahoana ianao no mitanisa ny Didiko, sy manao ny Fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra, sy mpanipy ny Teniko any ivoho.
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho! Sa Izaho heverinao ho toa anao? Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao! Izay misorona saotra no hasaiko: ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 5, 1-10


Na dia Zanak’Andriamanitra aza Izy dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany.

Ry kristianina havana, rahefa mety ho mpisorombe ka alaina amin’ny olona, dia tendrena ho solon’ny olona amin’ny fifampiraharahany amin’Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota, sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy, satria na ny tenany aza, mba voan’ny fahalemena ihany koa, ka noho izany fahalemeny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany, toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy. Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra tahaka an-dry Aarôna ihany. Dia toy izany koa i Kristy, fa tsy Izy no nanandra-tena ho mpisorombe, fa Ilay nanao taminy hoe: “Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany” sy nilaza tamin’ny teny hafa koa hoe: “Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.” Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; ary ankehitriny efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy, fa antsoin’Andriamanitra hoe: Mpisorombe araka ny fomban’i Melkisedeka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 109, 1. 2. 3. 4.


Fiv.: Ianao dia Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko: «Mipetraha ankavanako, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao! »
Ny tehinao mahery ahinjitry ny Tompo: Avy ao Siôna manjakà hatr’anivom-pahavalo.
Fa anao ny Fiandrianana hatramin’ny andro nahaterahanao! Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina: toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!
Hoy ny fianianan’ny Tompo ka tsy hanenenany: «Ianao Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka! »


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 2, 18-22


Mbola eo aminy ny mpampakatra.

Tamin’izany andro izany: fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina, ka nisy nanatona nanao taminy hoe: “Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina, nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra, dia tsy mahazo mifady izy; fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’izany andro izany vao hifady izy. Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao ka hitatra ny rovitra. Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta; fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra, ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra; fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.


Na hoe:

1 Jo. 4, 16

Isika efa nankalaza sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084