Sorona Masina ny Alahady 19 janoary 2020

ALAHADY FAHA-2 mandavantaona — A

I KRISTY NO ZANAK’ANDRIAMANITRA VELONA

Tononkira fidirana

Sal. 65, 4

Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 49, 3, 5-6

Hatsangako ho Fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko.

Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamiko: “Mpanompoko ianao, ry Israely, izay hataoko reharehako”. Ary ankehitriny miteny ny Tompo, Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba ho mpanompony, hampody an’i Jakôba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely. — Ary mahazo voninahitra eo imason’ny Tompo aho, ary Andriamanitro no heriko. — Hoy Izy: “Mbola zavatra kely foana ny maha-mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 39, 2 sy 4ab. 7-8a. 8b-9. 10.


Fiv.: Inty aho tamy, Tompo, mba hanao ny sitrakao.

Niandry ny Tompo aho ka niandry, niondrika Izy, nihaino talaho, hira vao no nataony teo am-bavako, fiderana an’ilay Tompontsika.
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra: ny sofiko manko nosokafanao. Tsy misy ilainao mihitsy izay sorona dorana sy fanonerana; ka hoy aho hoe: Inty aho tamy.
Voasoratra ao amin’ny boky ny momba ahy: ny manao ny sitrakao no mamiko; ny lalànao, ry Tompo, no ato am-poko.
Ny fahamarinanao, ry Tompo, notorîko tamin’ny fiangonana; ny molotro tsy nakomboko: fantatrao tsara izany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Fiantombohan’ny taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 1, 1-3


Ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo.

Izaho Paoly voaantso ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Sôstena rahalahy, dia mamangy ny Eglizin’Andriamanitra any Kôrinty, dia ireo mpino nohamasinina ao amin’i Jesoa Kristy, olona voaantso sady masina mbamin’izay rehetra miantso ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika, ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 1, 29-34

Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manala ny fahotan’ny olona.

Tamin’izany andro izany, dia nahita an’i Jesoa nanatona azy i Joany ka nanao hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, indro Ilay manala ny fahotan’ny olona. Izy no ilay nantsoiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba hampisehoana Azy amin’i Israely no nahatongavako manao batemy amin’ny rano”. Ary nilaza marina i Joany nanao hoe: “Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromailala, ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho tsy nahalala Azy, fa Izay naniraka ahy hanao batemy amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: ‘Izay hitanao hidinan’ny Fanahy Masina’. Ary nahita aho ka milaza marina fa Izy no Zanak’Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, miaraha mitalaho amin’ny Tompo mba hahatsiarovantsika ankehitriny fa efa nandalo teto an-tany i Jesoa Kristy, ary mba hanomezany antsika herim-po, hitory ny Evanjely amin’ny manodidina antsika.

Valy: Ianao tokoa, ry Jesoa Tomponay, no ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao.

* Adidin’ny Eveka sy ny Pretra ny mitory an’i Jesoa Kristy amin’ny olombelona; koa angataho mba ho tontosany amin-kerim-po izany, ary ireo miezaka sy misahirana mitady an’i Kristy, mba hohazavain’Andriamanitra sy hotarihiny lalana hahita Azy.
* Mivavaha ho an’ireo manam-pahefana mba hampian'Andriamanitra izy, hamela hiasa malalaka ny mpitondra fivavahana, ary ho an’ireo kristianina mitory ny Evanjely, mba hahay hanetry tena tahaka an’i Joany Batista izy sy hampiharihary an’i Kristy.
* Mivavaha ho an’ireo mitsoa-ponenana sy voasesitany ary tsy manan-kialofana, na any amin’ny ririnina mangatsiaka ilany avaratra amin’ny tany na aty amin’ny fahavaratra be orana.
* Mivavaha mba ho haintsika mandrakariva ny hijery an’i Kristy ao amin’ny namantsika, sy ny mamantatra ny sitra-pon’Andriamanitra amin’ny zava-mitranga eo amin’ny fiainantsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, Ianao no nifidy an’i Joany Batista hampiseho Anao amin’ireo mpianany sy hanoro azy, fa Ianao no Mesia; koa enga anie izahay koa ho irakao mahatoky, tsy hikatsaka afa-tsy ny Fanjakanao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao, satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay, dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady mandavantaona II, ohatra.


Kômonio

Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.


na hoe:

1 Jo. 4, 16

Isika efa nankalaza sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny mofo iray, mba hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0771