Sorona Masina ny Alakamisy 16 janoary 2020

Herinandro voalohany mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

 


Teny amin’ny lanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana no nahitako an’ilay Lehilahy tsaohin’ny Anjely alinkisa amin’ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.


Fangatahana

Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 4, 1-11


Resy i Israely, ary lasan-ko babo ny fiaran’Andriamanitra.

Ary natao tamin’i Israely rehetra ny tenin’i Samoela. Dia nivoaka hiady tamin’i Filistina i Israely ka nitoby teo akaikin’i Eben-Ezera: ary ny Filistina nitoby tao Afeka. Ary nony nilahatra hiady tamin’i Israely ny Filistina, ka rafitra ny ady, dia resin’i Filistina i Israely, nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady teo amin’ny tany lemaka. Niverina tany an-toby ny olona, ary hoy ny loholon’i Israely: “Nahoana ny Tompo no namely antsika teo anoloan’ny Filistina androany? Andeha hoentina hankatý amintsika avy any Silao ny fiaran’ny faneken’ny Tompo; aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika Izy.” Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy any amin’io tanàna io ny fiaran’ny faneken’ny Tompon’ny tafika, izay mipetraka amin’ny kerobima. Niaraka tamin’ny fiaran’ny faneken’ny Tompo Andriamanitra izy mirahalahy zanak’i Helî, dia i Ofnî sy i Finea. Nony niditra teo an-toby ny fiaran’ny faneken’ny Tompo dia nihoby an-kafaliana lehibe i Israely rehetra, ka nanako ny tany. Ren’ny Filistina ny fikotrokotrok’izany hoby izany, ka hoy izy: “Inona no anton’izany hobin-kafaliana mikotrokotroka any an-tobin’ny Hebrio izany?” Dia reny fa ny fiaran’ny faneken’ny Tompo no tonga tao an-toby. Ka raiki-tahotra ny Filistina fa nataony hoe: “Tonga ao an-toby Andriamanitra.” Dia hoy izy: “Hahita loza isika, fa tsy mbola nisy zavatra toy izao mandraka ankehitriny! Hahita loza isika; iza no hanafaka antsika amin’ny tanan’ireo andriamanitra mahery ireo? Fa ireo andriamanitra ireo no namely ny Ejipsianina tany an’efitra tamin’izao loza rehetra izao. Samia matanjaka sy mitomban-dahy ianareo, ry Filistina, fandrao dia manompo ny Hebrio, toy ny anompoany anareo. Misehoa ho lehilahy ary miadia.” Dia niady ny Filistina ka resy i Israely sy samy nandositra ho any an-dainy avy; ary mafy tokoa ny faharesena ka nisy telo alina ny olona an-tongotra, no lavo tamin’i Israely. Ny fiaran’Andriamanitra dia voasambotra, ary izy roa lahy zanak’i Helî, i Ofnî sy i Finea, dia maty.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaroana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 43, 10-11. 14-15. 24-25


Fiv.: Avoty izahay, Tompo, noho ny hatsaram-ponao.

Kinanjo Ianao itý mandao sy mahafa-baraka,
tsy mivoaka miaraka amin’ny tafikay intsony!
Izahay ataonao miamboho ny rafinay;
sy famabon’ireo mpankahala.

Izahay ataonao fandatsan’ny miara-monina,
fanakora sy faneson’ny manodidina,
fitafan’ireo firenena,
fihifihan-doha amin’ireo vahoaka! 

Mifohaza, ry Tompo: ahoana Ianao no matory?
Miarena! aza dia tsy rototra, ry Ilay Hajaina!
Ahoana ny Tavanao no afenina?
no hadino ny fahorianay sy ny famoretana anay?


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 40-45


Niala tamin-dralehilahy ny habokàna, ka nadio izy.

Tamin’izany andro izany, nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: “Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.” Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: “Mety aho, madiova ianao.” Vantany vao niteny Izy, dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy. Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa sady namepetra azy mafy nanao hoe: “Tandremo, aza milazalaza izany na amin’iza na amin’iza ianao fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka. Kanjo nony lasa ralehilahy dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza, hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa, fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina izy, ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 10

Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.


na hoe :

Jo. 10, 10

Tonga Aho, mba hananan’ny ondry ny fiainana sady hananany azy be dia be, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin’ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin’ny toetra mendrika.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0703