Sorona Masina ny Zoma 10 janoary 2020

Herinandro manaraka ny Epifania

ZOMA

Tononkira fidirana

Salamo 111, 4


Nipoitra avy eo anivon’ny haizina hanazava an’ireo mahitsy fo ilay Andriamanitra antra sy mangoraka sady marina.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, efa nambaran’ny kintana fa teraka ny Mpamonjy an’izao tontolo izao, ka enga anie hiorina sy hitombo mandrakariva ao am-ponay ny finoana an’izany mistery izany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 5, 5-6. 8-13


Misy telo no manambara: dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra.

Ry malala, iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra? Dia Izy no Ilay avy tamin’ny rano sy ny ra; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Fa misy telo no manambara, dia ny Fanahy sy ny rano sy ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. Raha ny fanambaràn’ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambaràn’Andriamanitra izay lehibe lavitra; ary ny fanambaran’Andriamanitra, dia ny nanambaràny ny Zanany indrindra. Koa izay mino ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambaràna izany ao anatiny; fa izay tsy mino kosa dia mampandainga an’Andriamanitra, satria tsy mino ny fanambaràny ny Zanany. Ary izany fanambaràna izany dia izao: nomen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay isika, ary ao amin’ny Zanany ihany izany fiainana izany. Koa izay manana ny Zanaka dia manana ny fiainana; fa izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra kosa, dia tsy manana ny fiainana. Izaho no nanoratra izany aminareo, dia ny mba hahafantaranareo, fa manana ny fiainana mandrakizay ianareo izay mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20


Fiv.: Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa, derao Andriamanitra, ry Siôna: Ilay manamafy ny vavahady, miahy ireo ankizy ao anatinao!
Miantoka anao handry fehizay, manetsaka anao mena-bary kanto! Mandefa ny didiny ho etý an-tany, dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba, ny didy aman-tsatany ho an’i Israely! Tsy misy olon-kafa nomeny izany: ny satany manko nafeniny azy.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 5, 12-16


Mety Aho, madiova ianao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha tao amin’ny tanàna anankiray, dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy, sy niankohoka nitaraina taminy nanao hoe: “Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy.” Dia naninjitra ny tanany Izy nanendry azy, sy nanao hoe: “Mety Aho, madiova ianao”, ka afaka niaraka tamin’izay ny habokany. Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy. Ary hoy Izy: “Mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ka manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.” Fa mainka niely ny lazany, ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino Azy sy mba hositraniny amin’ny aretiny; Izy kosa anefa amin’izany dia nihataka nankany an’efitra ka nivavaka tao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Aoka ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitra atolotray vahoakanao, ka izay ambaranay entanim-pinoana sy fitiavana anie mba ho azonay amin’izao sorona masina izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Nisehoan’ny Tompo, na ny Nahaterahany.


Kômonio

1 Jo. 4, 9

Izao no ahitantsika ny fitiavan’Andriamanitra: nirahin’Andriamanitra ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana mba hahavelona antsika amin’ny alalany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, ny Sakramenta noraisinay no ifandraisanao aminay, koa tanteraho ao am-ponay ny vokatr’izany Sakramenta izany ary ny fahasoavana nomenao anie hahatonga anay ho mpanompo lavorary.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008