Sorona Masina ny Alarobia 08 janoary 2020

Herinandro manaraka ny Epifania

ALAROBIA

Tononkira fidirana

Iz. 9, 2


Nahita fahazavana lehibe ny vahoaka nandeha tao amin’ny haizim-pito ary niposaham-pahazavana koa ireo nitankizina tao amin’ny fahafatesana.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Mpanazava ny firenena rehetra ô, mba ataovy miadam-pinaritra mandrakariva izahay vahoakanao, ary arotsahy ao am-ponay ilay fahazavana manjopiaka narehitrao tao am-pon’ireo razana fahiny.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 4, 11-18


Raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra.

Ry malala, raha toy izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia tokony mba hifankatia koa isika. Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Fa raha mifankatia isika dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary lavorary ao amintsika ny fitiavana Azy. Ny fananantsika ny Fanahiny no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ao amintsika. Ary efa nahita izahay, ka manambara fa naniraka ny Zanany ho mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray. Na iza na iza hanaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy ao amin’Andriamanitra. Ary izahay efa nahalala sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ary izao no maha-lavorary ny fitiavana ao amintsika; hanan-toky marimarina isika amin’ny andro fitsarana, satria nanahaka Azy tamin’itý fiainana itý. Tsy mba misy tahotra ny fitiavana fa mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary, satria milaza sazy ny tahotra; koa mbola tsy lavorary ny fitiavan’izay matahotra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 71, 2. 10. 12-13


Fiv.: Hiankohoka aminao, ry Tompo, ny firenena rehetra.

Andriamanitry ny fahamarinana ô! mba tolory ny andriana mpanapaka sy ny zanak’andriana ho dimbiny ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Ireo mpanjaka rehetra any Andrefana dia hanoa ka hanefa ny hetrany; toy izany ny avy any Atsinanana, dia hanatona hanolotra hasina.
Izy hanafaka ny malahelo mitoloko tsy manan-kanampy. Ny mahantra, ny ory: hovonjeny; hotsimbininy hatrany ny osa.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 45-52


Hitan’izy ireo nandeha teny ambony rano Izy.

Tamin’izany andro izany, rahefa nampitombo ny mofo i Jesoa, dia notereny hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandravany ny vahoaka; ary rahefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina, ary i Jesoa irery no teny an-tanety. Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy. Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy, fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý. Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.” Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, fa tsy azony an-tsaina itý fahagagana tamin’ny mofo teo noho ny hadonton’ny fony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no loharano ipoiran’ny fitiavam-bavaka sy ny fiadanana marina; koa mihanta aminao izahay: ataovy fatra-panaja Anao Avo indrindra amin’izao Sorona izao, ary mandray anjara amin’izany izahay ka enga anie hoentanim-pinoana hiray fo aman-tsaina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo; na ny Nisehoany


Kômonio

1 Jo. 1, 2

Naseho ny Fiainana izay tao amin’ny Ray ka naharihary tamintsika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tantananao amin’ny fanampiana maro karazana izahay vahoakanao, ry Tompo, ka enga anie hahazo fanafody avy amin’ny fitiavanao ankehitriny sy amin’ny ho avy, ary rahefa nankaherezinao sy nalanao alahelo izahay mivahiny eto an-tany dia hiezaka amim-pitokiana bebe kokoa ho tody any amin’ny fonenana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082