Sorona Masina ny Talata 07 janoary 2020

Aorian’ny Nahaterahan’ny Tompo

7 JANOARY


Mialoha ny Nisehoan’ny Tompo. Raha miafara, jereo Herinandro manaraka ny Epifania


Tononkira fidirana

Gal. 4, 4-5


Nirahin’Andriamanitra ny Zanany natera-behivavy mba hananganany antsika ho zanany.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tonga teto an-tany ny Zanakao Lahitokana ho fahazavana vaovao mamirapiratra eto aminay ary naterak’i Maria Virjiny, ka nitafy nofo tahaka anay sy niara-nonina taminay; koa enga anie izahay kosa hiombona anjara aminy any amin’ny fanjakany.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 5, 14-21


Mihaino antsika Andriamanitra na inona na inona angatahintsika aminy.

Ry malala, izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika, dia mihaino antsika Izy. Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika. Raha misy mahita ny rahalahiny manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana, aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana, dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana. Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana; tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka. Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra, fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana. Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, fa miaro tena izay naterak’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy. Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa. Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka manome fahazavan-tsaina antsika, mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina, ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika, satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5 sy 6a sy 9b


Fiv.: Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany.

Ihirao hira vao ny Tompo! Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy! I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy; ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy, hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga! Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany, ravahany fandresena ny ory.
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny, sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba; fankalazana an’Andriamanitra no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo; satria midina etý ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 2, 1-12


Izany nataon’i Jesoa tany Galilea izany no voaloham-pahagagana nataony.

Tamin’izany andro izany, dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: “Tsy manan-divay izy ireo.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Izaho sy Ianao moa no ahoana amin’izany ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako.” Dia hoy ny Renin’i Jesoa tamin’ny mpanompo: “Ataovy izay rehetra holazainy aminareo.”

Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Fenoy rano ireo siny ireo.” Dia nofenoiny hatramin’ny molony. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana.” Dia nentiny. Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe: “Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rahefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra, fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny.” Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no voaloham-pahagagana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ary rahefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no loharano ipoiran’ny fitiavam-bavaka sy ny fiadanana marina, koa mihanta aminao izahay: ataovy fatra-panaja Anao avo indrindra amin’izao Sorona izao; ary handray anjara amin’izany izahay ka enga anie hoentanim-pinoana hiray fo aman-tsaina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo


Kômonio

Jo. 1, 16

Tamin’ny fiainany lavorary no nandraisantsika rehetra anjara, dia fahasoavana miampy fahasoavana.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tantananao amin’ny fanampiana maro karazana izahay vahoakanao, ry Tompo, ka enga anie hahazo fanafody avy amin’ny fitiavanao ankehitriny sy amin’ny ho avy, ary rahefa nankaherezinao sy nalanao alahelo izahay mivahiny eto an-tany dia hiezaka amim-pitokiana bebe kokoa ho tody any amin’ny fonenana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112