Sorona Masina ny Asabotsy 04 janoary 2020

Aorian’ny Nahaterahan’ny Tompo

4 JANOARY


Mialoha ny Nisehoan’ny Tompo. Raha miafara, jereo Herinandro manaraka ny Epifania


Tononkira fidirana

Iz. 9, 2


Nahita fahazavana lehibe ny vahoaka nandeha tao amin’ny haizim-pito ary niposaham-pahazavana koa ireo mitankaizina teo amin’ny fahafatesana.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, tonga hanavotra an’izao tontolo izao ny Mpamonjy nirahinao ary nitondra hazavana vaovao avy any an-danitra, koa enga anie hanavao lalandava ny fonay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 3, 7-10


Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; satria naterak’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota.

Anaka, aza mety hofitahin’olona ianareo, fa izay manao ny marina ihany no marina toa Azy marina koa. Izay manota dia avy amin’ny demony, fa mpanota hatrany am-boalohany ny demony. Ary ny handrava ny asan’ny demony no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra. Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin’Andriamanitra, sady naterak’Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota. Amin’izany no ahafantarana izay zanak’Andriamanitra sy izay zanaky ny demony. Izay rehetra tsy manao ny marina dia tsy avy amin’Andriamanitra, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 97, 1. 7-8. 9


Fiv.: Zahao, ry vazan-tany ny vonjin’Andriamanitra.

Ihirao antsa vao ny Tompo fa mahagaga ny zava-bitany, fa ny tanany no namonjy, nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Aoka hidoboka anie ny rano, ny ranomasina sy ny mponiny! Ka hitehaka anie ny ony ; hitotorebika koa ny vohitra!
Mba hitsena ny Tompo tamy hitsara ny olona tsy an-kanavaka: ary hitsara ny firenena am-pahamarinana sy ara-drariny.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina etý ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 1, 35-42


Efa hitanay ny Mesia.

Taorian’ny batemin’i Jesoa, dia mbola teo koa i Joany Batista sy mpianany roa lahy; ka hoy izy nahatazana an’i Jesoa nandalo: “Indro ny Zanak’Ondrin’Andriamanitra.” Nandre izany ireo mpianany roa lahy ireo, dia nanaraka an’i Jesoa. Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy ireo nanaraka Azy, dia nanao taminy hoe: “Inona no tadiavinareo?” Ary hoy izy ireo taminy: “Raby, (izany hoe, ry Mpampianatra, raha adika) aiza Ianao no mitoetra?” Dia hoy Izy taminy: “Avia fa ho hitanareo.” Dia nandeha izy ireo ka nahita izay nitoerany, sy nitoetra teo aminy tamin’iny andro iny; ary tokony ho tamin’ny ora fahafolo tamin’izay.

I Andre, rahalahin’i Simôna Piera, no anankiray tamin’izy roa lahy izay nandre ny tenin’i Joany ka nanaraka an’i Jesoa. Ary ny olona voalohany nifanena taminy kosa dia i Simôna rahalahiny, ka nilazany hoe: “Efa hitanay ny Mesia” (izany hoe i Kristy raha adika). Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe: “Ianao no Simôna, zanak’i Joany; hatao hoe Sefasy ianao”, izany hoe, Piera.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no loharano ipoiran’ny fitiavam-bavaka sy ny fiadanana marina, koa mihanta aminao izahay: ataovy fatra-panaja Anao avo indrindra amin’izao Sorona izao, ary mandray anjara amin’izany izahay ka enga anie hoentanim-pinoana hiray fo aman-tsaina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo


Kômonio

1 Jo. 1, 2

Naseho ny Fiainana izay tao amin’ny Ray ka naharihary tamintsika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tantananao amin’ny fanampiana maro karazana izahay vahoakanao, ry Tompo, ka enga anie hahazo fanafody avy amin’ny fitiavanao, ankehitriny sy amin’ny ho avy, ary rahefa nankaherezinao sy nalanao alahelo izahay mivahiny eto an-tany dia hiezaka amim-pitokiana bebe kokoa ho tody any amin’ny fonenana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228