Sorona Masina ny Talata 31 desambra 2019

Aorian’ny Nahaterahan’ny Tompo

31 DESAMBRA


Tononkira fidirana

Iz. 9, 6


Misy Zaza teraka ho antsika, ka Zazalahy no nomena antsika. Napetraka eo an-tsorony ny fanjakana ary hantsoina hoe: Mpitondra ilay hafatra lehibe Izy.


Asiana Voninahitra anie ho an’Andriamanitra.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny nahaterahan’ny Zanakao no nataonao fototra iorenan’ny fivavahana sy andavorarianao azy, koa mba ataovy isam-bahoakany izahay fa Izy no tena Mpamonjy ny taranak’olombelona.

Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 2, 18-21


Fa ianareo kosa dia voahosotr’Ilay Masina, ka mahalala ny zavatra rehetra.

Anaka, izao no ora farany. Fa araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy, ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny, ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany. Teo amintsika no niala ihany izy ireo, nefa tsy anisantsika; fa raha anisantsika izy, dia ho niara-nitoetra tamintsika; izy no niala dia mba hampiharihary fa tsy anisantsika izy rehetra. Fa ianareo kosa dia voahosotr’Ilay Masina, ka mahalala ny zavatra rehetra. Tsy noho ianareo tsy mahalala ny marina no nanoratako ho anareo, fa noho ianareo mahalala izany indrindra, ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin’ny marina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 95, 12. 11-12. 13


Fiv.: Aoka hifaly ny lanitra, ary hiravo ny tany.

Ikaloy ireo hira vaovao ho an’ny Tomponao, ry manana aina! Ny fisaorana aoka hanakoako! Isan’andro vaky dia torio: Itony vonjy nentiny lazao mba handre daholo ny eran-tany.
He! ny Tompo irery no Mpanjaka. Itony tany: vitany mijoro. Izany rariny entiny mitsara. Mifalia, ry lanitra sy tany! Aoka hidobodoboka ny riaka ka hifaliavanja izany saha.
Mandihiza ianao, ry hazo an’ala anoloan’ny Tompo: indro Izy mba hitsara izao tontolo izao. Itony tany itony ho zakainy. Ny ambanilanitra ho tsarainy hilazany «marina» hatrany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra.

Aleloia.

Fiantombohan’ny Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 1, 1-18


Ary ny Teny tonga nofo.

Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona. Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.

Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao. Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nahariana izao tontolo izao, nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao. Tonga tao amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy, dia nomeny ny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany, ka tsy mba nateraky ny ra, na ny sitra-pon’ny nofo, na ny sitra-pon’ny olona ireo, fa naterak’Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina tatý amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahitokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy. Nanambara Azy i Joany ka niantso nanao hoe: “Izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.” Ary avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, satria ny Lalàna moa nomena tamin’ny alalan’i Môizy fa ny fahasoavana sy ny fahamasinana kosa dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no loharano ipoiran’ny fitiavam-bavaka sy ny fiadanana marina; koa mihanta aminao izahay: ataovy fatra-panaja Anao avo indrindra amin’izao Sorona izao, ary izahay mandray anjara amin’izany anie mba hoentanim-pinoana hiray fo aman-tsaina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo


Kômonio

1 Jo. 4, 9

Nirahin’Andriamanitra ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanany Lahitokana mba hahavelona antsika amin’ny alalany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tantananao amin’ny fanampiana maro karazana izahay vahoakanao, ry Tompo, ka enga anie hahazo fanafody avy amin’ny fitiavanao, ankehitriny sy amin’ny ho avy, ary rahefa nankaherezinao sy nalànao alahelo izahay mivahiny eto an-tany, dia hiezaka amim-pitokiana bebe kokoa ho tody any amin’ny fonenana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0077