Sorona Masina ny Zoma 27 desambra 2019

27 Desambra Fetin'i Md Joany, Apôstôly

Fety ankalazaina

Tononkira fidirana

Izy no Joany, ilay nampiondana ny lohany teo antratran'ny Tompo tamin'ny sakafo farany; Apôstôly sambatra, nahafantatra ny tsiambaratelon'ny lanitra ary nampiely ny teny fiainana manerana an'izao tontolo izao.

 

Asiana Voninahitra

Vavaka Fangatahana

Andriamanitra ô, tamin'ny alalan'i Md Joany no namborahanao taminay ny halalin'ny misterin'ny Teninao. Koa mba ataovy lasan-davitra amin'ny fahalalana ny teny fiainana izahay, dia ilay teny nataon'i Md Joany nanakoako teo anivon'ny Fiangonanao. Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay...

Amen.

Fankalazana ny Tenin'Andriamanitra

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohany nosoratan'i Md Joany apôstôly

I Jo, 1, 1-4

Izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo koa

 Ry zanako malala, izay efa nisy hatramin'ny voalohany, sy efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nodinihinay, ary efa notsapain'ny tànanay, dia ny Teny fiainana; - fa efa naseho ny fiainana, sy efa hitanay, ary vavolombelona izahay, ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay izay tao amin'ny Ray sy naseho taminay, - eny, izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo kosa, mba hanananareo fikambanana aminay koa; ary ny fikambananay dia amin'ny Ray sy amin'i Jesoa-Kristy Zanany. Ary izahay no manoratra izany aminareo, dia mba ho feno ny fifalianareo.

- Izany ary ny tenin'ny Tompo

- Hisaorana anie Andriamanitra

Salamo

Sal. 96, 1-2, 5-6, 11-12

Ianareo olomarina,
mifalia ao amin'ny Tompo

Mpanjaka ny Tompo: aoka hifaly ny tany;
Aoka hiravoravo ny nosy maro!
Rahona aman'aloka no manodidina azy,
rariny sy hitsiny no iorenan'ny seza fiandrianany.

Miempo hoatry ny savoka ny tendrombohitra eo anatrehan'ny Tompo,
dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
Ny lanitra mitory ny fahamarinany,
ary ny firenena rehetra mibanjina ny voninahiny.

Afafy ho an'ny marina ny fahazavana,
ary ho an'ny mahitsy fo ny fifaliana.
Mifalia amin'ny Tompo ry olo-marina,
ary manomeza voninahitra ny anarany masina.

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia, aleloia.
Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly
Aleloia, aleloia.

Evanjely

Evanjely nosoratan'i Md Joany

Jo. 20, 2-8

Nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anakiray, ka tonga talohan'i Piera teo amin'ny fasana

Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, i Maria Magdalena lasa nihazakazaka nankany amin'i Simona Piera sy ilay mpianatra malalan'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany azy. Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan'i Piera tao amin'ny fasana. Dia niondrika izy, ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. Nony tonga kosa Piera nanarakaraka azy, dia niditra teo am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lamba fa nivalona nitokana terý. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.

- Izany ary ny tenin'ny Tompo

- Hisaorana anie Andriamanitra

Vavaka Fanolorana

Ray ô, hamasino ny fanatitra atolotray anao, ary enga anie izao sakafo izao hanovozanay fahalalana velona ny misterin'ny Teninao, izay nambaran'i Joany Apôstôly sy evanjelista.

Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.

Prefasy amin'ny fankalazana ny noely

Tononkira amin'ny komonio

Jo 1, 14-16

Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary avy amin'ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana.

Vavaka aorian'ny komonio

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra ô, noho ny hasina mifono mistery avy amin'izao Sakramenta izao, dia aoka ny teninao tonga nofo, izay hitan'i Md. Joany Apôstôly ary notorîny, mba hitoetra lalandava ao aminay.

Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1038