Sorona Masina ny Alakamisy 26 desambra 2019

26 Desambra Md. ETIENA

Martiry voalohany (Taonjato voalohany)


Fankalazana

Isan’ireo fito lahy feno finoana sy ny Fanahy Masina nofidina ho Diakra voalohany hanampy ny Apôstôly i Md. Etiena, sady natao filohan’izy ireo. Tsy natahotra ny nampiharihary ny haratsian’ireo loholon’ny Jody izy ka notoraham-bato ho faty: izy no martiry voalohany noho ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Teo am-pijaliana dia tsy nitsahatra nivavaka izy: “Indro hitako ny lanitra misokatra... Tompo ô, raiso ny fanahiko”, hoy izy. Namela ny heloky ny mpamono azy toy ny nataon’i Jesoa koa izy: “Tompo ô, aza tanana izao hadisoany izao.” (Asa 7, 59).
Aza hadino fa didian’Andriamanitra hifamela heloka isika hamelàny heloka antsika.


Tononkira fidirana

Nisokatra ny lanitra hidiran’i Masindahy Etiena, lohalaharana amin’ny Martiry, ka indro izy mandresy, voasatro-boninahitra any an-danitra.


Asiana Voninahitra anie...


Fangatahana

Tompo ô, enga anie izahay mba hanahaka an’i Masindahy Etiena hajainay anio ka ho tia ny olon-drehetra na ny fahavalonay aza, fa mankalaza ny nahaterahany dia izy ilay nahay nivavaka ho an’ny mpanenjika azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 6, 8-10 ; 7, 54-59


Indro hitako ny lanitra misokatra.

Tamin’izany andro izany, dia feno fahasoavana sy herim-po i Etiena, ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe tao amin’ny vahoaka. Fa ny sasany avy amin’ny sinagôgan’ny Libertina, sy ny an’ny Sireneanina sy ny Aleksandrinina, mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia, dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etiena, fa tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy Masina izay nitenenany izy ireo. Nony nandre ny teniny izy ireo, dia nisafoaka ny fony, ary nihidy vazana taminy izy. Fa i Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra, ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra, sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra ary nanao hoe: “Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin’ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.” Fa indray nihoraka izy rehetra, sady nanentsin-tadîny no niara-niantoraka taminy. Dia notaritiny tany ivelan’ny tanàna izy, ka notorahany vato ; ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etiena kosa nivavaka nanao hoe: “Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko.” Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: “Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.” Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo. Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 30, 3de-4. 6ab sy 7b ary 8a, 17 sy 21ab


Fiv. : Tompo ô, apetrako eo an-tananao ny aiko.

Metia, ry Vatolampy fierena!
Vonjeo aho, ry Trano fiarovana!
Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy,
ny Anaranao itarihana sy itantanana ahy!

Apetrako eo an-tananao ny aiko,
avoty aho, ry Tompo Andriamanitra!
Ianao kosa no ifefeko!
Mibitaka sy ravo aho.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao!
Vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao!
Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy,
lavitra ny tetika ataon’ny olona.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 10, 17-22


Tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: “Mitandrema, fa hotorîn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo, sy hokapohiny ao amin’ ny sinagôgany ; ary hoentiny eo anatrehan’ny mpitondra sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily. Fa raha hatolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany ; satria tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny rainy aman-dreniny, ka hamono azy ; ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako ; fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny Sorom-pitiavana atolotray anio, fa entinay hankalaza an’i Masindahy Etiena Martiry.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Nahaterahan’ny Tompo


Kômonio

Asa 7, 58

Raha mbola nitora-bato an’i Etiena ny olona, izy kosa nivavaka nanao hoe: Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Be ny famindram-po nataonao taminay, ry Tompo, ka misaotra Anao izahay, fa vonjenao amin’ny nahaterahan’ny Zanakao, ary ampifalianao amin’ny fankalazana an’i Masindahy Etiena Martiry.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0076