Sorona Masina ny Alatsinainy 16 desambra 2019

Herinandro fahatelo - Fahatongavan’ny Tompo

ALATSINAINY

Raha 17 Desambra na aoriana dia jereo 17 desambra

Tononkira fidirana

Jer. 31, 10 ; Iz. 35, 4


Henoy ny tenin’ny Tompo, ry firenena, ary torio any amin’ny faravazan-tany hoe: aza mitebiteby intsony fa ho avy ny Mpanavotra antsika.


Fangatahana

Ry Tompo be fitiavana ô, atongilano ny sofinao hihaino ny feonay mangataka aminao, ary hazavao amin’ny fahasoavana avy amin’ny famangian’ny Zanakao ny fonay anatin’ny haizina.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky Fanisana

Fanis. 24, 2-7. 15-17a


Misy kintana hipoitra avy amin’i Jakôba.

Tamin’izany andro izany, natopin’i Balaama ny masony, dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy, ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: “Faminanian’i Balaama, zanak’i Beora; faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony; faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha, izay lavo ka misokatra ny masony: Endrey itý hatsaran’ny lainao, ry Jakôba! Ary izato fonenanao, ry Israely! Midadasika toa lohasaha, tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, tahaka ny taretra nambolen’ny Tompo, tahaka ny sedera amoron-drano!

Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa. Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be. Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga, ary ny fanjakany mandroso voninahitra.” Dia nilaza ny lahateniny indray i Balaama, ka nanao hoe: “Faminanian’i Baalama zanak’i Beora. Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony, faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra, izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha. Izay lavo ka misokatra ny masony. Hitako Izy, fa tsy toy ny ankehitriny; tazako Izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, tehim-panjaka iray mitsangana avy amin’i Israely.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 24. 4ab-5ab. 6-7bd. 8-9


Fiv.: Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy! Ny soritrao ampianaro ahy! Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo: fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao, izay efa hatramin’ny fahagola! Ny otako fahazaza, ry Tompo, hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo: ka ny mpanota toroany lalana; ny ory tarihiny amin’ny hitsiny; ny ory ampianariny ny lalany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ho avy ny Tompo, tsenao izy; Izy no Mpanjakan’ny fiadanana.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 21, 23-27


Avy taiza ny batemin’i Joany ?

Tamin’izany andro izany, rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: “Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany?” Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy taiza moa ny batemin’i Joany? avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?” Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe: “Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo? Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika, fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany.” Dia izao no navaliny an’i Jesoa: “Tsy fantatray.” Ary hoy Izy taminy: “Izaho koa àry, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: raiso ny fanatitray nofantenana tamin’ny zava-tsoa avy aminao, ka enga anie ny vavakay mba hahasoa anay etý an-tany no sady hampahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Salamo 105, 4-5 ; Iz. 38, 3

Avia, ry Tompo, vangio izahay; itondrao fiadanana, dia hifaly tanteraka eo anatrehanao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hahasoa anay ny mistery nankalazainay fa namboarinao dieny izao ho anay mivahiny eo anivon’ny zava-mandalo mba hankafizanay ny zavatry ny lanitra ary hifikiranay amin’ny harena maharitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0308