Sorona Masina ny Asabotsy 07 desambra 2019

Herinandro voalohany - Fahatongavan’ny Tompo

SABOTSY

Tononkira fidirana

Salamo 79, 4. 2


Avia, asehoy ny endrikao, ry Tompo, avia ry Ilay mipetraka eo ambony Kerobima, avia, mba vonjeo izahay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, nirahinao ho eo amin’izao tontolo izao ny Zanakao Lahitokana mba hanavotra ny taranak’olombelona ho afaka amin’ny toe-pahotana; koa mba rotsahy ny fahasoavana fanomen’ny fonao izahay miandry Azy amim-pitiavana mba ho afa-pahotana tanteraka ka hahazo ny valisoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 30, 19-21. 23-26


Miantra anao Andriamanitra ka mamindra fo aminao raha vao mitaraina ianao.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra masin’i Israely : Ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema, tsy hitomany intsony ianao, fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo; raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao. Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy sy ny ranom-pahoriana, ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao, ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao. Ary raha ianareo hivily na ho ankavanana na ho ankavia, dia handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe: “Itý no lalana, ka ombao io!” Ny Tompo handefa ny ranonorany amin’ny voa nafafinao amin’ny tany, ary ny tany hahavokatra mofo, tsara tokoa sady betsaka, amin’izany andro izany ny biby fiompinareo hihinana eny amin’ny tany fiandrasana malalaka, ary ny omby aman’ampondra miasa ny tany, hihinam-bilom-bary matsiro, voakororoka tamin’ny lapela aman-tsahafa. Eny an-tendrombohitra avo rehetra, eny an-kavoana avo rehetra, hisy sakeli-drano aman-dranovelona, amin’ny andro famonoam-be, sy hianjeran’ny tilikambo. Ny hazavan’ny volana ho tahaka ny hazavan’ny masoandro; ary ny hazavan’ny masoandro ho avo fito heny, tahaka ny hazavan’ny hafitoana, amin’ny andro hamehezan’ny Tompo ny ratran’ny vahoakany, sy hanasitranany ny fery namelezany azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 146, 1-2. 3-4. 5-6


Fiv.: Sambatra izay rehetra manantena ny Tompo.

Derao ny Tompo fa tsara! Antsao ny Andriamanitsika fa mamy: eny, mendrika Azy ny dera! Ny Tompo! Ilay manorina an’i Jerosalema, manangona ny tafaely amin’i Israely.
Manasitrana ny torotoro fo; sy mamehy ny ferin’izy ireo! Ilay manisa tsirairay ny kintana, sy miantso azy amin’ny anarany.
Tompontsika lehibe sy mahery, Ilay tsy hita isa ny fahalalany! Tompo manarina ny ory, sy mampiohoka an-tany ny olon-dratsy!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 35 — 10, 1 sy 6-8


Onena i Jesoa nahita ireo vahoaka.

Tamin’izany andro izany i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: “Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.” Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary hoy Izy: “Mankanesa any amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony; nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ho tontosa soa aman-tsara itý sorom-panompoana itý hiteraka izay vokatra nokendrenao tamin’ny namoronanao azy sy hahazoanay tsy misy tomika ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Apôk. 22, 12

Indro ho avy haingana Aho, hoy ny Tompo, ary hitondra ny valin-kasasarana ka hamaly ny olona rehetra araka ny asany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mora fo: enga anie izao Kômonio masina izao handio anay ho afaka amin’ny haratsianay ka hanomana anay ho mendrika ilay androm-pifaliana ho avy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085