Sorona Masina ny Alahady 01 desambra 2019

ALAHADY VOALOHANY — Taona A

fiavian’ny Tompo

AZA REVON’NY AMBANY MASO FA AOKA HO AVO FIJERY

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 24, 1-3


Any aminao, ry Tompo, no anandratako ny fanahiko!
Ianao, ry Andriamanitra, no ifefeko tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin’ny fahavaloko! Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra.


Tsy asiana VONINAHITRA ANIE


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: herezo ny fonay mino Anao mba ho masim-piainana izahay hitsena an’i Kristy Ilay ho avy ary ho mendrika ho tonga eo anilany hahazo ny Fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin'Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 2, 1-5


Hanangona ny firenen-drehetra ny Tompo: hiadana izy ireo ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ny teny hitan’i Izaia, zanak’i Amôsa momba an’i Jodà sy i Jerosalema. Izao no ho tonga any amin’ny andro farany: ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo, hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana

Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy, ary firenena maro no ho avy hilaza hoe:“Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny Lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’ny Tompo”. Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona. Avia, ry taranak’i Jakôba, ka aoka handeha amin’ny fahazavan’ny Tompo isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 121, 1-2. 34a. 4c-5. 6-7. 8-9.


Fiv.: Faly aho nilazana hoe: “Andao isika ho any an-Tranon’ny Tompo”

Faly aho raha hoy ireo havako: Ndao ho any an-Tranon’ny Tompo!»
Indro ny tongotray, ry Jerosalema, mijadona eto am-bavahadinao.
I Jerosalema tanàna tsara rafitra, mirindra tsy manan-tsahala natao mba hiakaran’ireo foko, dia ny fokon’i Israely.
Fa didy ho an’i Israely ny mankao mba hidera ny Anaran’ny Tompo Ao no toerana ijoroan’ny fahefana, iorenan’ny fianakavian’i Davida.
Irario «Fiadanana!» i Jerosalema «Fiadanana ho an’ny trano ao aminao!
Fiadanana ho an’ny mandanao! Fiadanana ho an’ny tilikambonao!»
Noho ny havana aman-tsakaizako, hoy aho hoe «Fiadanana anie ho anao!» Noho ny tranon’ny Tompo Andriamanitsika, Avelao aho hirary soa ho anao!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 13, 11-14


Akaiky ny famonjena antsika.

Ry kristianina havana, fantatsika ny andro, fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao; fa ankehitriny, akaiky antsika ny famonjena fa tsy tahaka ny fony isika vao nino. Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro, ka ario ny asan’ny maizina. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana, tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana, tsy amin’ny fifandirana na fialonana; fa itafio i Jesoa Kristy Tompo, ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! Ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 24, 37-44


Miambena ianareo, ary aoka ho vonona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe: “Tahaka ny tamin’ny andron’i Nôe, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona. Fa tamin’ny andro nialoha ny safo-drano, dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara, ka tsy nahalala izy ireo raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano, izay nandringana azy rehetra: dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona. Amin’izany, amin’ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha, dia horaisina ny iray, ary havela ny iray; amin’ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarîna, dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray. Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo. Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy fa tsy havelany hotamîna ny tranony. Koa aoka àry ho vonona koa ianareo, fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, izao vaninandro izao no manambara amintsika ny fiadanana sy ny fahazavana entin’i Kristy ho an’izao tontolo izao; koa mangataha amin’Andriamanitra mba horaisin’ny olombelona ankehitriny izany fiadanana sy fahazavana izany.

Valy: Tompo ô, tongava eo anivon’ny vahoakanao.

* Mangataha amin’Andriamanitra mba ho hain’ny Eglizy ny hanetsiketsika ny fon’ny olona, ka tsy ho revon’ny fanomanana haingo sy sakafo ihany amin’izao Noely izao, fa hanomana ny fo amam-panahy indrindra koa.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra vahoaka eto an-tany, izay manana adidy hampanjaka ny fandriam-pahalemana, mba hiarahany miasa amin’Andriamanitra, ka sady hahasakanany ny ady no hahaizany mampihavana.
* Tsarovy ireo mahantra sy mijaly eran’izao tontolo izao, indrindra ireo tsy manan-kialofana, mba hahitany olona antra hanampy azy ary hahitany kristianina hahasambatra azy.
* Mifampivavaha isika iray fiangonana mba hosokafan’ny Tompo ny saintsika hahita ny fahazavan’i Kristy, ary hosokafany ny fo hanjakan’ny fiadanana avy amin’ny Noely.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, asainao miomana izahay handray Anao amin’izao fankalazana ny fahatongavanao voalohany tety aminay izao; koa ataovy tsapanay arakaraka ny maha-akaiky ny Noely, ny fandrosoanay mitsena Anao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, raiso ny fanatitray nofantenana tamin’ny zava-tsoa avy aminao, ka enga anie ny vavakay mba hahasoa anay ety an-tany no sady hampahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fiavian’ny Tompo I


Kômonio

Sal. 84, 13

Ny Tompo no handrotsaka ny soa ka hahabe vokatra ny tany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hahasoa anay ny mistery nankalazainay fa namboarinao dieny izao ho anay mivahiny eo anivon’ny zava-mandalo mba hankafizanay ny zavatry ny lanitra, ary hifikiranay amin’ny harena maharitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                    

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0629