Sorona Masina ny Zoma 08 novambra 2019

Herinandro faha-31 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 37, 22-23


Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan’ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 3, 17 — 4, 1


Miandry Mpamonjy izay hanova itý vatantsika mora simba itý isika, hampitovy endrika azy amin’ny vatany be voninahitra.

Ry kristianina havana, makà tahaka ahy ianareo; ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay. Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy. Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamìny. Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompontsika, izay hanova itý vatantsika tsinontsinona itý, ka hampitovy endrika azy amin’ny vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny Azy ny zavatra rehetra. Koa amin’izany, ry kristianina havako, mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatro-boninahitro, mahareta tsara ao amin’ny Tompo araka izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5


Fiv.: Faly aho nilazana hoe: Andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra. Nilazana fa hizotra any an-tranon’Izy Tompo. Indro tonga soa ’zahay tapitr’eto re ny dia. Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.
Ao no niakaran’ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo. Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Israely. Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao. Ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 15, 14-21


Mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny jentily aho, mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily.

Ry kristianina havana, izaho aloha, raha ny aminareo, dia matoky aho fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo, sady mahay mifananatra koa. Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho, toy ny mampahatsiaro anareo indray, noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny jentily aho, amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra, mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily, rahefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.

Koa mba manana rehareha ao amin’i Kristy Jesoa ihany aho raha ny momba ny fanompoana an’Andriamanitra. Satria tsy ho sahiko lazaina raha tsy zavatra nampanaovin’i Kristy ahy, mba hampanaiky ny jentily na tamin’ny teny aman’asa, na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana, na tamin’ny Fanahy Masina; hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy, dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria; sady nalaiko ho voninahitra ho ahy ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin’izay mbola tsy nanononana an’i Kristy, mba tsy hanorina amin’izay efa nanorenan’ny sasany, fa ho araka ny voasoratra hoe: “Ireo tsy nilazana Azy dia hahita; ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4


Fiv.: Naneho ny famonjeny tamin’ireo firenena ny Tompo.

Ihirao antsa vao ny Tompo fa mahagaga ny zava-bitany. Fa tanany no namonjy, nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena ny famonjeny amam-pahamarinany. Mba tsarovy, ry Israely, ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany izato vonjin’Andriamanitra! O ry tany, derao ny Tompo, ka mientàna amin-karavoana!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 16, 1-8


Hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‘Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.’ Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe: ‘Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho itý? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin’ny raharahako aho.’ Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’ Dia hoy io: ‘Diloilo injaton’ny barika.’ Dia hoy ilay mpitandrina taminy: ‘Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.’ Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’ Hoy io hoe: ‘Vary injaton’ny famarana.’ Dia hoy ilay mpitandrina: ‘Raiso ny taratasinao, ka soraty valopolo.’ Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 15, 11

Ny Lalan’ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.


na hoe:

Jo. 6, 58

Hoy ny Tompo hoe: tahaka Ahy nirahin’ny Ray izay velona ka velona amin’ny Ray, no hahavelona amiko an’izay mihinana Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin’ny herinao; ary havaozy amin’ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.101