Sorona Masina ny Alakamisy 07 novambra 2019

Herinandro faha-31 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 37, 22-23


Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan’ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 3, 3-8a


Ireny toa tombony ho ahy ireny dia nataoko faty antoka noho ny amin’i Kristy.

Ry kristianina havana, isika no tena voafora, dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy, sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika, ary tsy mitoky amin’ny nofo. Mba manana izay hitokiako amin’ny nofo ihany anefa aho, ka raha ny olon-kafa aza manao azy ho afa-mitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho; fa izaho dia isan’ny voafora tamin’ny andro fahavalo, taranak’i Israely avy amin’ny fokon’i Benjamina, Hebrio teraky ny Hebrio; Farisianina aho, raha ny amin’ny Lalàna; mpanenjika ny Eglizy, raha ny amin’ny zotom-po; tsy manan-tsiny, raha ny amin’ny fahamarinana ny amin’ny Lalàna. Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa, dia nataoko faty antoka noho ny amin’i Kristy. Eny, mbola ataoko ho faty antoka izany rehetra izany, raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 2-3. 4-5. 6-7


Fiv.: Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo.

Hirao Izy! Antsao! Vetsoy ny asany mahagaga! Ireharehao ny Anarany Masina! Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny heriny! Tadiavo lalandava ny Tavany! Tsarovy ny asa mahagaga nataony! ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny Vavany.
Ry taranak’i Abrahama mpanompony, ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra: manerana ny tany tontolo ny fitsarany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 14, 7-12


Na velona isika na maty dia ho an’ny Tompo.

Ry kristianina havana, tsy misy velona ho azy isika rehetra, na misy maty ho azy, fa velona isika, velona ho an’ny Tompo; maty koa, maty ho an’ny Tompo. Koa amin’izany, na velona na maty isika, dia ho an’ny Tompo ihany. Satria i Kristy no maty sy velona indray, dia ny mba haha-Tompon’ny maty sy ny velona Azy. Ka ahoana àry itý ianao no mitsara ny rahaIahinao; ahoana àry izato ianao no dia maneso ny rahalahinao? Nefa samy hiseho eo amin’ny fitsaran’Andriamanitra ihany isika rehetra, araka ny voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy ny Tompo, ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hidera an’Andriamanitra. Koa samy hampamoahin’Andriamanitra ny amin’ny tenany avy isika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14


Fiv.: Matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, sy tozoiko indrindra, ry Tompo: dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako: mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo sy hibanjina ny toerany Masina!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny Tanin’ny velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 15, 1-10


Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny poblikanina rehetra sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.” Dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo i Jesoa hoe: “Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.’ Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very.” Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 15, 11

Ny Lalan’ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.


na hoe:

Jo. 6, 58

Hoy ny Tompo hoe: tahaka Ahy nirahin’ny Ray izay velona ka velona amin’ny Ray, no hahavelona amiko an’izay mihinana Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin’ny herinao; ary havaozy amin’ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081