Sorona Masina ny Alahady 03 novambra 2019

ALAHADY FAHA-31 mandavantaona — D

NY HELOKA IBABOHANA MODY RARINY

Tononkira fidirana

Sal. 37, 22-23

Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan’ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Fahendrena

Fah. 11, 23 — 12, 2

Mamela azy rehetra Ianao, satria Anao ny zavatra rehetra.

Tompo ô, noho Ianao mahefa ny zavatra rehetra no iantranao azy rehetra, sy tsy ijerenao ny fahotan’ny olombelona noho ny fibebahany. Satria tianao avokoa ny zava-boaary, ary tsy misy halanao izay nataonao; fa raha misy iray halanao, tsy ho nataonao akory. Ary zavatra inona moa no afa-ko misy raha tsy sitrakao, na haharetany raha tsy nampisînao? Mamela azy rehetra anefa Ianao, satria Anao ny zavatra rehetra, ry Tompo tia ny fanahin’ny olona. Fa ao amin’ny zavatra rehetra ny Fanahinao tsy azo angolena, ka izany no amaizanao izay lavo amin’ny sazy antonony, ary raha manota izy, anarinao sy tsinînao mba hialany amin’ny haratsiany, sy hinoany Anao, ry Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 144, 1-2. 8-9. 10-11. 13de-14


Fiv.: Misaotra ny Anaranao mandrakizay aho, ry Andriamanitro Mpanjaka.

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka; ny Anaranao isaorako mandrakizay mandrakizay. Misaotra Anao isan’andro aho sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany.
Midera Anao, ry Tompo, ny asanao rehetra, misaotra Anao ny mpivavaka aminao; ny voninahitry ny fanjakanao resahiny; ny asanao mahery teneniny.
Ny Tompo mahatoky amin’ny teniny, tsara fo amin’ny asany rehetra; izay mila ho lavo tohanany, izay mitanondrika atràkany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

2 Tes. 1, 11 — 2, 2


Hankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo, sy ianareo koa ao aminy.

Ry kristianina havana, mivavaka ho anareo mandrakariva izahay, mba hataon’ny Andriamanitsika mendrika ny niantsoany anareo ianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan’ny finoanareo, ka hankalazaina ao aminareo ny Anaran’i Jesoa Tompo, sy ianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan’ny Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, dia mihanta aminareo izahay, ry kristianina havana, mba tsy hety hozongozonin-tsaina mora foana ianareo, na ho azo ampitahotahorina foana, na amin’ny fanahy izany, na amin’ny teny, na amin’ny taratasy hamboina ho avy aminay, mova tsy ny efa antomotra iny ny andron’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 19, 1-10

Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona.

Tamin’izany andro izany, nony niditra tao Jerikô i Jesoa dia namaky ny tanàna. Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe Zake lehiben’ny Poblikanina sady mpanan-karena, nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona, satria fohy izy. Koa nihazakazaka nialoha izy dia nianika amontana anankiray hitazana Azy, fa eo no handalovany. Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: “Ry Zake, midîna haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio”. Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana. Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: “Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy”. Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe: “Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny, dia honerako inefatra hoatra azy”. Dia hoy i Jesoa taminy: “Tonga amin’ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa ity lehilahy ity, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’olona”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, atambaro ny fivavahantsika hangatahana an’Andriamanitra hanasitrana ny fijalian’ny vatana amam-panahin’ny zanany, amin’ny taona rehetra sy ny toerana rehetra.

Valy: Avoty aho, ry Tompo, iantrao!

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra mba ho fatra-pitia ny mpanota mandrakariva izy, sy ho tsara fandray izay mibebaka.
* Mavesatra adidy ireo mpitondra fanjakana, koa angataho Andriamanitra hanampy azy hikatsaka sy hanatanteraka izay tena mahasoa ny vahoaka, ka hanjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana araka ny irîn’Izy Tompo.
* Mivavaha amin’ny Tompo ho an’ny mpanota rehetra, mba hiaiky ny hadisoany sy hahalala hanonitra, tahaka an’i Zake izy, ary hiova famindra eo amin’ny fiainana.
* Mitombo ihany ny antokom-pinoana sy ny antoko pôlitika misarika ireo tso-po; koa mivavaha mba tsy ho diso ny Eglizy marina naorin’i Kristy, ireo tena mitady an’Andriamanitra, ary mba hiharihary eo imason’ny olona ka ho hainy mifidy, izay tena miteraboka-tsoa ho an’ny be sy ny maro ary ny firenena.
* Mivavaha ho an’ny fiangonantsika mba tsy hisy kely tsy mba mamindro, fa mainka hahazo ny toerana voalohany amin’ny fitiavantsika aza, ny madinika sy ny mahantra ary ny mpanota.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, aoka izahay tsy hiolonolona amin’ireo tsy mitovy hevitra sy fanabeazana aminay, na amin’ireo tsy mahalala ny fiainanay, fa hahay mifanerasera amin’ny olona rehetra sy hifarimbona asa amin’izay manao ny tsara; ary ampianaro koa izahay fa samy mifampiankina sy natao hifanampy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra IV, ohatra.


Kômonio

Sal. 15, 11

Ny lalan’ny fiainana no natoronao ahy; ka henika ny hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.


na hoe:

Jo. 6, 58

Hoy ny Tompo hoe: Tahaka Ahy nirahin’ny Ray Izay velona ka velona amin’ny Ray, no hahavelona amiko an’izay mihinana Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin’ny herinao; ary havaozy amin’ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083