Sorona Masina ny Alatsinainy 28 oktobra 2019

Herinandro faha-30 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 105, 3-4


Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 4, 32 — 5, 8


Mandehana toy ny zanaky ny mazava.

Ry kristianina havana, aoka ianareo samy halemy fanahy amin’ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan’Andriamanitra anareo ao amin’i Kristy. Koa aoka àry hanahaka an’Andriamanitra, toy ny zanaka malala ianareo. Ary mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy, izay nanolo-tena tamin’Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika. Araka ny manendrika ny olo-masina, dia aoka tsy ho re ao aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rahefa mety ho fahalotoana amam-pilan-dratsin’ny nofo. Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin’ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao teny fisaorana. Satria fantaro tsara fa rahefa mety ho olona mpijangajanga na vetaveta, na mpanarana filan-dratsin’ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra. Koa aza mety hofitahin’olona amin’izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny zanaky ny tsy finoana. Aza miombona amin’ireny ianareo. Taloha ianareo no maizina, fa ankehitriny efa mazava ao amin’ny Tompo, ka mandehana toy ny zanaky ny mazava.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 1, 1-2. 3-4 sy 6.


Fiv.: Hanahaka an’Andriamanitra toy ny zanaka malala ianareo.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso; fa ny lalan’ny Tompo no sitrany; ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy: mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy: fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo; ny lalan’ny mpanota kosa mamery!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 12-17


Fanahim-pananganan-janaka no noraisinareo, ka iantsoantsika hoe Abà! Ray!

Ry kristianina havana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo; satria izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra dia zanak’Andriamanitra. Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray! Ary ny tenan’io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 67, 2 sy 4. 6-7ab. 20-21


Fiv.: Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika.

Vao mitsangana Andriamanitra, dia mihahaka ny fahavalony; mandositra eo anoloany ny mpankahala. Ny olo-marina kosa, manoloana an’Andriamanitra, mifaly, miravo sy mirobiroby.
Izy Ilay Rain’ny kamboty, mpanome rariny ny mpananotena, Andriamanitra ao amin’ny toerany masina, mampitoetra an-trano ny tokan-tena, mamoaka ny babo voagadra.
Isaorana ny Tompo isan’andro isan’andro: ilay Andriamanitra Mpamonjy nitrotro antsika, Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika; Tompo mahala amin’ny fahafatesana.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 13, 10-17


Itý zanakavavin’i Abrahama itý ve tsy tokony hovahana ny fatorany amin’ny andro Sabata?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nampianatra tao amin’ny sinagôga anankiray indray Sabata, ka nisy vehivavy anankiray teo azon’ny demony hatramin’ny valo ambin’ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy. Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: “Ravehivavy, afaka ny aretinao.” Dia nametrahany tanana izy, ka nitraka niaraka tamin’izay, sy nankalaza an’Andriamanitra. Fa sosotra ny lehiben’ny sinagôga noho i Jesoa nanasitrana tamin’ny andro Sabata, ka niloa-bava tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin’ireo ianareo, fa aza amin’ny andro Sabata.” Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy: “Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin’ny tranony avy ianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia Sabata aza ny andro? Ary itý zanakavavin’i Abrahama izay efa nafatotr’i Satana hatramin’ny valo ambin’ny folo taona itý ve tsy tokony hovahana amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata?” Tamin’izy niteny izany, izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.


na hoe:

Ef. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika; nanolotra ny tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095