Sorona Masina ny Alahady 27 oktobra 2019

ALAHADY FAHA-30 mandavantaona — D

HOHENOIM-BAVAKA NY MANETRY TENA

Tononkira fidirana

Sal. 104, 3-4

Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny Tavany.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Siràka Ekleziastika

Ekl. 35, 15b-17. 20-22a

Maninteraka ny rahona ny vavaky ny manetry tena.

Mpitsara ny Tompo; ary tsy mijery izay filaharam-piambonian’ny olona akory Izy. Tsy mizaha tavan’olona hamono antoka ny mahantra Izy, ary mihaino ny vavak’izay ampahoriana. Tsy mba ataony tsy ho zavatra ny kamboty mitalaho, na ny mpitondratena mamboraka ny fitarainany aminy. Horaisina tsara izay manaja an’Andriamanitra araka ny fomba ankasitrahiny, ary tafasondrotra hatrany amin’ny rahona ny fivavahany. Maninteraka ny rahona ny vavaky ny manetry tena, fa tsy hionona izy, raha tsy tonga amin’Andriamanitra izany; tsy hitsahatra izy raha tsy efa nojeren’ny Avo indrindra; dia hitsara araka ny rariny ny Tompo, ka hamoaka fitsarana. Tsy hampiandry akory ny Tompo, tsy handefitra intsony Izy, amin’ny mpampahory.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 17. 18. 19 sy 23

 

Fiv.: Ity ory, velona antso, ka valian’ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ny Tompo tezitra amin’ny olon-dratsy
ka hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny Tompo mihaino izay miantso Azy,
ny ahiahiny rehetra ataony misava.

Ny Tompo eo anilan’izay mijaly
ary namonjy ny rera-tsaina.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy mba hisy sazy ho an’izay mifefy aminy.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 4, 6. 8. 16-18

 

Hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana.

Ry zanako malala, izaho dia mova tsy efa haîdina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa. Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany! Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady noesorina teo am-bavan’ny liona aho. Hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ny Tompo, ary hamonjy ahy ho amin’ny Fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 18, 9-14

Ilay Poblikanina no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay Farisianina.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity mankamin’ny sasany natoky tena ho marina, sy nanebaka ny namany: “Nisy roa lahy niakatra hivavaka tany an-Tempoly: Farisianina ny iray ary Poblikanina ny anankiray. Nitsangana ilay Farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‘Andriamanitra ô, misaotra Anao aho, fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy Poblikanina itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra’. Fa ilay Poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‘Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko fa mpanota aho!’ Lazaiko aminareo fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, Andriamanitra dia mihaino lalandava ny vavaky ny manetry tena, dia ireo tsy mba mihevi-tena ho fototry ny soa ananana ary tsy tia manebaka ny namana. Koa andeha hiara-mangataka amim-pinoana sy fanetren-tena izay ilaintsika sy ny olombelona rehetra.

Valy: Tompo ô, ankasitraho izahay ka aza atosi-bohontanana.

* Mety hisy hanana toe-tsaina farisianina mandrakariva ao amin’ny Eglizin’i Kristy, koa mivavaha mba ho tsara fandray ny Poblikanina mibebaka ny Fiangonana ary hahay manova an’ireo miavonavona, mihevitra ny tenany ho tsara.
* Mivavaha ho an’ny mpanao raharaham-bahoaka mba hanampian’Andriamanitra azy handavorary ny asany sy ho tsara fandray olona ary hanaja ny madinika.
* Ireo manana olom-pehezina dia matetika alaim-panahy hihevi-tena fa ambony noho ny hafa; koa angataho Andriamanitra hampianatra azy hanetry tena sy ho be fitiavana, ary tsy hizaha tavan’olona.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra sasa-dahasa amana faneson’ny olona, mba tsy ho kivy: ary angataho Andriamanitra hamangy azy sy hankahery azy eto an-tany, sy hamaly soa azy any an-danitra.
* Mivavaha ho antsika iray fiangonana, mba tsy havelan’Andriamanitra hihevi-tena isika fa tsy manam-pahotana, ary hosakanany tsy hanan-toe-tsaina tia mitsaratsara foana sy manebaka namana, fa hanetry tena sy hifankatia.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, aza avela hivavaka toy ny Farisianina izahay, fa mpanota tsy mendrika sady mahantra foana, satria avy aminao izay rehetra anananay; koa ampianaro hanetry tena sy ho tsotra rehefa mivavaka, dia hahasoa ny tenanay sy ny namanay ny vavaka ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.

 

na hoe:

Efez. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika, nanolotra ny Tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie, mba tena ho azonay any an-koatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3117