Sorona Masina ny Asabotsy 26 oktobra 2019

28 Oktôbra

Md. SIMONA sy JODA, Apôstôly

(Taonjato voalohany)


Fankalazana

Tsy hoe mitovy asa, na hevitra, na toetra ny Apôstôly raha nantsoin’ny Tompo sy nofidiny ho Apôstôly, koa na iza na iza dia samy afaka mijoro ho vavolombelon’i Kristy avokoa. Tao ny mpanjono toa an-dry Md. Piera; i Md. Matio mpamory hetra, ary teo am-piantsoana azy i Md. Simôna dia mpitarika antoko pôlitika sady mafana fo ka izany no nanomezana azy anarana hoe Zelôty. Ary i Joda ankalazaina miaraka aminy anio kosa no ilay nantsoina hoe Tade na “ilay be herim-po”: izy no ilay Joda rahalahin’i Jakôba samy havan’i Jesoa, nanoratra Taratasy iray voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao.
Samy nitory an-kasahiana an’i Jesoa maty sy nitsangan-ko velona; toy ny Apôstôly namany rehetra izy roa lahy ary samy maty martiry koa.
Na iza na iza isika kristianina, na lahy na vavy, na kely na lehibe, dia mijoroa ho vavolombelon’ny finoana, indrindra amin’ireo manodidina antsika mivantana.


Tononkira fidirana

Fatra-pitia marina an-dry Masindahy Simôna sy Joda ny Tompo ka nifidy azy ary nanome voaninahitra azy mandrakizay.


Asiana Voninahitra anie …


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Apôstôlinao no nentinao hahafantaranay ny Anaranao; koa enga anie ny vavaka ataon-dry Masindahy Simôna sy Joda mba hampitatra ny Eglizy lalandava hampitombo ny vahoaka mino Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay … Amen.


Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 2, 19-22


Ny Apôstôly no fanorenana nandrafetana anareo.

Ry kristianina havana, tsy olon-ko azy na vahiny intsony ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra; ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo; ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 18, 2-3. 4-5


Fiv.: Manerana ny tany rehetra ny feony.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra, ny asany kosa torìn’ny habakabaka, ny andro milaza amin’ny andro manaraka, ny alina indray mitantara amin’ny alina.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany, tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina: kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony: miely tsy tana ny hafatra entiny.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, ry Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 12-16


Nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo i Jesoa, ka nomeny anarana hoe Apôstôly.

Tamin’izany andro izany, dia lasa tany an-tendrombohitra i Jesoa mba hivavaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina. Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo, izay nomeny anarana hoe Apôstôly: dia i Simôna izay nataony hoe i Piera, sy i André rahalahiny, i Jakôba sy i Joany, i Filipo sy i Bartelemy, i Matio sy i Tômà, i Jakôba zanak’i Alfe, sy i Simôna izay atao hoe Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba, sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mankalaza ny voninahitra mandrakizay ananan-dry Masindahy Simôna sy Joda Apôstôly izahay no mihanta aminao: mba raiso ny vavakay ary mba tariho izahay ho mendrika hanolotra tsara ny Sorona masina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Apôstôly I


Kômonio

Jo. 14, 23

Hoy ny Tompo hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny didiko izy, ary ny Raiko ho tia azy koa, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nandray ny Kômonio masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao ao amin’ny Fanahy Masina: koa enga anie ny fankalazanay ny naha-Martiry an-dry Masindahy Simôna sy Joda Apôstôly hanambina anay hotiavinao lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0535