Sorona Masina ny Alahady 20 oktobra 2019

ALAHADY FAHA-29 mandavantaona — D

MAHARETA HANANA NY SOA

Tononkira fidirana

Sal. 16, 6. 8.

Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao Avo Indrindra amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Eksaody

Eks. 17, 8-13

Raha nasandratr’i Môizy ny tanany, dia i Israely no nandresy.

Tamin’izany andro izany, dia nandroso i Amaleka hanafika an’i Israely tao Rafidima, ka hoy i Môizy tamin’i Jôsoe: “Mifantena lehilahy ianao dia handeha hiady amin’i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon’ny havoana, mitana ny tehin’Andriamanitra ao an-tanako”. Dia nataon’i Jôsoe izay nandidian’i Môizy azy, dia niady tamin’i Amaleka izy; fa i Môizy sy i Aarôna ary i Hora kosa niakatra teny an-tampon’ny havoana. Raha nasandratr’i Môizy ny tanany dia i Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tanany, i Amaleka no nahomby. Nony efa vizana ny tanan’i Môizy, dia naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany; ary i Aarôna sy i Hora kosa nanohana ny tanany avy eo an-kilany avy, ka tsy niketraka intsony ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro. Dia resin’i Jôsoe tamin’ny lelan-tsabatra i Amaleka sy ny olony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 120. 1-2. 3-4. 5-6. 7-8


Fiv.: Vonjintsika ny Anaran’ny Tompo izay nanao ny lanitra sy ny tany.

Miandra any an-tendrombohitra aho mijery izay hiavian’ny fitahiana ahy: ny fitahiana ahy dia avy amin’ny Tompo, Ilay nanao ny lanitra sy ny tany!
Tsy havelany ho solafaka ny tongotrao; Ilay mpiambina anao tsy ho sokoin-tory: tsy mba matory na mba rendremana Ilay mpiambina an’i Israely!
Ny Tompo miambina anao lalandava, ianao alokalofan’ny tanany, ka tsy ho voan’ny masoandro raha antoandro, tsy mba ho voan’ny volana amin’ny alina.
Ambenany amin’ny ratsy rehetra ianao: ny Tompo miambina ny ainao, miambina anao mivoaka sy miditra hatrizao ka ho mandrakizay!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 3, 14 — 4, 2


Aoka ho lavorary ny olon’Andriamanitra ary ho vonona amin’ny asa soa rehetra.

Ry zanako malala, mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka, fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady efa hatry ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa. Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra, dia mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba ho lavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra. Izao no angatahiko aminao, eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany: Mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana na tsy amin’ny fotoana: manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 18, 1-8

Andriamanitra manome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: “Tany amin’ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: ‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin’ny farany, dia hoy izy anakampo: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy ity mpitondratena ity, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy’. Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rehefa tonga ny Zanak’Olona, moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany Izy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, raha ny finoana no entintsika mivavaka dia hoeken’Andriamanitra isika; ary rahefa fitiavana no mampivory antsika mitalaho, dia eo ampovoantsika i Kristy; koa akambano àry ny vavaka ataontsika, ary aoka ho feno finoana sy ho feno fitiavana.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra dia manana adidy mamy, hivavaka ho an’izao tontolo izao; koa angataho Andriamanitra mba hitombo hatrany ny vavaka ataony amin’ny anaran’ny Eglizy
* Mivavaha ho an’ireo mpilaza vaovao sy mpanao gazety ary mpanoratra boky mba hampian’Andriamanitra izy hanaja ny marina mandrakariva sy ho feno finiavana hahasoa ny mpamaky, araka ny hafatr’i Md. Paoly.
* Mora menatra ny mahantra; vizaky ny miantso, ny marary; mahatsiaro manorisory ny olona, ireo mijaly, ka tsy sahy mitaraina; koa angataho ho tsapany fa Andriamanitra tsy mba vizana mihaino azy.
* Ankehitriny, toa tsy sahy tenenina firy Andriamanitra, toa tsy saintsain’ny olombelona intsony; nefa Andriamanitra indrindra no tena ilaina eo amin’izao tontolo izao; koa mivavaha mba hampiharihary ny finoany ny kristianina sy ny mpino rehetra.
* Rehefa dinihina ny fiainantsika, angamba tsy mahazo toerana firy ny fivavahana, indrindra amin’izao andro sarotra izao; koa angataho mba hamporisika antsika hiresaka amin’Andriamanitra ny hafanan’ny fontsika miara-mivavaka izao.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ampio ny finoanay ho mafy orina sy ho feno fitokiana; ary efa natoron’i Jesoa Zanakao izahay tsy hatahotra ny hitambezo, koa ampianaro haharitra mivavaka, fa izany no hahazoanay valiny.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin’ny fahasoavanao, dia ho mendrika handraisanay ny Kômonio.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra III, ohatra.


Kômonio

Sal. 32, 18-19

Indro ny mason’ny Tompo eo amin’izay matahotra Azy sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


na hoe:

Mk. 10, 45

Tonga hahafoy ny ainy ny Zanak’olona, mba hanavotra ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina; ka sady hoambinina amin’ny zava-mandalo, no hahay hankafy ny soa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856