Sorona Masina ny Talata 15 oktobra 2019

Herinandro faha-28 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4


Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 1, 16-25


Nahalala an’Andriamanitra izy ireo nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra.

Ry kristianina havana, tsy menatra ny Evanjely aho, satria herin’Andriamanitra izany ho famonjena izay rehetra mino, dia ny Jody aloha, vao ny jentily. Fa ambara mazava ao aminy ny fahamarinan’Andriamanitra avy amin’ny finoana ho amin’ny finoana, araka ny voasoratra hoe: “Ho velona noho ny finoana ny olo-marina.” Fa hita miharihary avy any an-danitra ny hatezeran’Andriamanitra, mamely ny tsy fanajana an’Andriamanitra sy ny tsy fahamarinan’ireo olona izay misakana ny marina amin’ny tsy fahamarinany, satria miseho miharihary ao aminy izay mba mety ho fantatra momba an’Andriamanitra, fa nasehon’Andriamanitra taminy izany. Fa ny fombany tsy hita, toy ny fahefany mandrakizay mbamin’ny maha-Andriamanitra Azy, dia hitan’ny saina amin’ny asan-tanany ka miseho amin’ny zava-boaary rehetra; koa tsy afa-miala tsiny izy ireo, fa nahalala an’Andriamanitra izy, nefa tsy nankalaza Azy ho Andriamanitra na nisaotra Azy; fa nanjary zava-poana izy tamin’ny fisainany, ary tonga maizina ny fony donto. Nihambo ho hendry izy, ka tonga adala, fa ny voninahitry ny Andriamanitra tsy mety lò, dia nosoloany sarin-javatra mety lò, toy ny olombelona, na ny vorona, na biby mandady tongotra efatra, na biby mikisaka. Noho izany, dia navelan’Andriamanitra izy ireo hoentin’ny filan-dratsin’ny fony ho amin’ny fahalotoana, mba hifanala baràka amin’ny tenany ary nosoloany lainga ny fahamarinan’Andriamanitra, ary naleony ny zava-boaary no nivavahana sy notompoina toy izay ny Nahary izay isaorana mandrakizay. Amen!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 18, 2-3. 4-5


Ny lanitra mitanisa ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’ny andro manaraka.
Ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 37-41


Manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany, dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy, ka niditra Izy dia nipetraka nihinana. Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana, ka hoy ny Tompo taminy: “Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana. Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa? Izao ihany: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.


na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rahefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128