Sorona Masina ny Alahady 13 oktobra 2019

ALAHADY FAHA-28 mandavantaona — D

MAHAIZA MANKASITRAKA AN’ANDRIAMANITRA

Tononkira fidirana

Sal. 129, 3-4

Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr’i Israely!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao, sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 5, 14-17

Niverina nankao amin’ilay olon’Adriamanitra i Naamàna, nino ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, i Naamàna sirianina nidina ka nisitrika impito tao Jordany araka ny tenin’i Elisea olon’Andriamanitra, ary tonga toy ny nofon-jazakely indray ny nofony ka nadio izy. Dia niverina nankao amin’ilay olon’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nomba azy. Ka nony tonga, dia nandroso teo anatrehany, nanao hoe: “Indro hitako tsara izao, fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra afa-tsy eto amin’i Israely ihany! Koa ankehitriny, dia aoka handray ny fanatitra avy amin’ny mpanomponao ianao”. Fa hoy i Elisea: “Velona ny Tompo izay itoerako eo anatrehany, ka dia tsy handray mihitsy aho”. Mbola nanery azy handray ihany i Naamàna, nefa tsy nety izy. Ka hoy i Naamàna: “Rehefa tsy mety ianao, dia avelao kosa ny mpanomponao mba homena tany zakan’ny mole roa, satria tsy tian’ny mpanomponao intsony, ny manatitra sorona dorana na sorona amin’andriamani-kafa, afa-tsy amin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4


Fiv.: Naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena ny Tompo.

Ihirao hira vao ny Tompo fa nahavita zava-mahagaga: ny tanany havanana, ny sandriny masina no nahazoany fandresena.
Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny, hitan’ireo firenena ny fahamarinany. Tsarovy, ry terak’i Israely, ny fitiavany sy ny fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra, ny famonjen’ny Andriamanitray. Hobio ny Tompo, ry tany tontolo; mientàna, miantsà sy mihobia.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 2, 8-13


Raha miaritra isika, dia hiara-manjaka amin’i Kristy.

Ry zanako malala, tsarovy fa i Jesoa Kristy Tompo, ilay avy amin’ny taranak’i Davida, dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely torîko, izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza; ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra. Noho izany, dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy, mba hahazoan’izy ireo koa, ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa mbamin’ny voninahitra mandrakizay. Teny mahatoky tokoa izao: “Raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika; raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny Tenany Izy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 17, 11-19

Tsy nisy niverina nanome voninahitra an’Andriamanitra raha tsy io vahiny io.

Tamin’izany andro izany, raha nandeha ho any Jerosalema i Jesoa, dia nanara-tsisina an’i Samaria sy i Galilea. Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin’ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: “Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay!” Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe: “Mandehàna, misehoa amin’ny mpisorona”. Ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin’ireny, rehefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra tamin’ny feo mahery. Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io. Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: “Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray ity no hany niverina tamin’izy ireny mba hankalaza an’Andriamanitra!” Dia hoy Izy taminy: “Mitsangàna, ary mandehàna, fa ny finoanao no nahavonjy anao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mampiray ny olombelona ny fitiavana, ary mampitombo ny fihavanana ny fahaiza-mankasitraka; koa miaraha mivavaka mba samy hameno ny fon’ny olombelona mandrakariva ny fitiavana sy ny fahaiza-mankasitraka na amintsika samy olombelona, na indrindra amin’Andriamanitra.

Valy: Hankalazaina mandrakizay ny Anaranao, ry Tompo.

* Mivavaha ho an’ny Eveka sy ny Pretra mba hahatàomany olombelona, hahay hankasitraka an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
* Mivavaha ho an’ireo miandraikitra ny fanampiana ny ory sy ny mijaly eo amin’izao tontolo izao, mba hanampian’Andriamanitra azy, hahita izay famonjena ilaina sy hahay hizara azy, ka hampitodika ny fon’ireo vonjeny any amin’Andriamanitra fototry ny soa rehetra.
* Betsaka ny marary hoditra sy voan’ny homamiadana sy ny SIDA: mijaly sy manaintaina; koa mivavaha mba tsy hafoin’ny olona izy, fa hokolokoloiny sy hotiaviny ary hotarihiny ho any amin’Andriamanitra mba hisolo hafaliana ny fijaliana iaretany.
* Mahay mangataka isika nefa tsy mba mahay mankasitraka firy ny soa rehetra omen’Andriamanitra; koa ampakaro izao vavaka izao ho fisaorana Azy avy amintsika vory etoana sy ny olombelona rehetra.
* Efa hanomboka ny fianarany any an-tsekoly ny ankizy sy ny tanora amin’izao fotoana izao, koa mangataha mba harisika mandrakariva ny mpianatra ary ho vonona hiomana lalandava amin’ny fiainana miandry azy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ray ô, mahery midodododo aminao izahay rehefa sahirana na misy manjò; fa mahalana vao mba misaotra; koa raiso izao fisaorana izao, ary ampianaro izahay hankasitraka ny fanomezanao rehetra: tsy ny soa mandalo ihany, fa indrindra ny aina omenao sy ny fitiavana asehonao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.


Kômonio

Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa.


na hoe:

1 Jo. 3, 2

Rehefa hiseho ny Tompo, dia hitovy aminy isika, satria hahita Azy araka ny toetrany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin’ny maha-Andriamanitra Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083