Sorona Masina ny Talata 08 oktobra 2019

Herinandro faha-27 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Est. 13, 9. 10-11


Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo amin’ny habakabaka; Ianao no Tompon’izao tontolo izao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon’ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin’izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin’ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia

Gal. 1, 13-24


Nanambara ny Zanany tato anatiko Izy, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily.

Ry kristianina havana, efa renareo ihany ny toetrako fony aho mbola nanaraka ny fivavahan’ny Jody, fa nanenjika fatratra ny Eglizin’Andriamanitra sy nandrava azy aho; ary nandroso tamin’ny fivavahan’ny Jody mihoatra noho ny maro indray nihira tamiko teo amin’ny fireneko aho, sady fatra-pitàna ny lovan-tsofina avy amin’ny razako. Nefa, nony sitrak’Andriamanitra ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ny Jentily, niaraka tamin’izay, dia tsy naka hevitra tamin’ny nofo aman-dra aho na niakatra tany Jerosalema ho any amin’ny Apôstôly talohako akory, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damasa indray. Efa telo taona tatý aorian’izany, vao niakatra hamangy an’i Piera tany Jerosalema aho, sy nitoetra tao aminy tapa-bolana. Fa ny Apôstôly sasany, dia tsy nisy hitako afa-tsy i Jakôba rahalahin’ny Tompo ihany. Izao zavatra lazaiko soratako aminareo izao anie, dia lazaiko marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa tsy mandainga aho! Taorian’izany, dia nankany amin’ny faritanin’i Siria sy Silisia aho. Tsy mbola nisy nahita tava ahy akory ny Eglizy rehetra tany Jodea ao amin’i Kristy; fa vao ny lazako fotsiny no reny hoe: Ilay nanenjika antsika fahiny, dia indro ankehitriny, mitory ny finoana notadiaviny hofoanana taloha. Ka dia ny mankalaza an’Andriamanitra noho ny amiko no nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 138, 1-3. 13-14ab. 14d-15


Fiv.: Tariho aho ho amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay, ry Tompo.

Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra! Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro! Voadinikao aho na mamindra na miato, ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ianao no nahary tongotra aman-tanana ahy, sy Mpiaro ahy hatrany an-kibon’i neny. Midera Anao aho fa mahatalanjona itý Ianao! Eny, mampitolagaga ny asanao.
Fantatrao hatrizay ny fanahiko; tsy niafina taminao ny tenako, fony izaho niforona tao amin’ny miafina, sy nitenona tamim-pahakingana tao anatin’ny tany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Jônasa Mpaminany

Jôn. 3, 1-10


Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva, ary namindra fo Andriamanitra.

Tonga tamin’i Jônasa fanindroany ny tenin’ny Tompo, nanao hoe: “Mitsangàna ianao, mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao.” Dia nitsangana i Jônasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin’ny Tompo. Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalan-kateloana. Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasa, ka nitory izy nanao hoe: “Rahefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!” Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra. Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka, ka niala teo amin’ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny, mirakotra lasàka, ary nipetraka teo amin’ny lavenona. Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpifehy amin’izao teny izao: “Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano, na olona na biby, na omby aman’ondry; aoka samy hirakotra lasaka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin’Andriamanitra, samy hiala amin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon’ny tanany avy. Ndrao mba avy ihany izay hanenenan’Andriamanitra sy hitonen’ny hatezerany mirehitra, ka dia mba tsy haripany isika.”

Nahita ny nataon’izy ireo sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra ka dia tsy notanterahiny indray izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 129, 1-2. 3-4ab. 7-8


Fiv.: Raha mitsikilo heloka Ianao, Tompo ô, iza no hahatanty?

Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso. Tompo ô, henoy re ’zany feoko. Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy. He! fa mitoreo izato feoko.
Raha tsikilovinao irony heloka natao. Zovy re, ry Tompo, no haharitra? Saingy eo anilanao no ahitako famelana. Toky ho ahy Ianao ka dia toaviko.
Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo. Avotra lehibe ka ianteherana. Dia Izy no andrasan’i Israely hanavotra azy. Afaka tanteraka ny helony.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 38-42


Nandray Azy tao an-tranony i Marta. I Maria no nifidy ny anjara tsara.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra tamin’ny vohitra anankiray, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony. Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: “Tompoko, tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy.” Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: “Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halana aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an’izay miantehitra aminy, ho an’ny fanahy mikatsaka Azy.


na hoe:

1 Kôr. 10, 17

Iray ihany ny mofo, ka vatana iray isika na dia maro aza, satria mofo iray ihany sy kalisy iray ihany no iombonantsika rehetra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin’Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0633