Sorona Masina ny Asabotsy 05 oktobra 2019

Herinandro faha-26 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42


Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jôba

Jôb. 42, 1-3. 5-6. 12-17


Ny masoko ankehitriny efa nahita Anao, koa dia manameloka ny tenako aho sy manenina.

Namaly ny tenin’ny Tompo i Jôba ka nanao hoe: “Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao. Iza moa izato manamaizina ny fandaharan’Andriamanitra tsy amim-pahalalana? Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho, ny amin’ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro! Mihainoa fa hiteny aho, hanadina Anao aho, ka valio. Ny sofiko taloha efa nandre filazana Anao, fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita Anao. Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin’ny vovoka sy ny lavenona.”

Nambinin’ny Tompo mihoatra noho ny tamin’ny taloha ny andro niainan’i Jôba tatý aoriana, ka nanana ondry efatra arivo amby iray alina, rameva enina arivo, omby arivo tsiroaroa, ary ampondravavy arivo. Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy: ny voalohany nataony hoe Jemimà, ny faharoa Ketsia, ary ny fahatelo Keren-Happòka. Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra; nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy. Velona efapolo amby zato taona i Jôba taorian’izany; ka nahita ny zanany lahy sy ny zanakalahin’ny zanany lahy hatramin’ny taranaka fahefatra. Dia maty i Jôba, efa antitra sy voky andro niainany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 66 sy 71. 75 sy 91. 125 sy 130


Fiv.: Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao!

Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana fa izaho matoky ny baikonao! Soa ho ahy ny nomenao fijaliana, mba hianarako ny fitsipikao!
Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny fitsaranao: ara-pahamarinana no ampahorianao ahy! Noho ny fitsaranao dia maharitra mandraka androany ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Mpanomponao aho ka mba omeo fahalalana, hahafantarako ny fanambarànao! Vavahady mazava ny teninao, sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Barôka

Bar. 4, 5-22. 27-29


Ilay nahatonga loza taminareo, dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo.

Matokia, ry oloko, fahatsiarovana an’i Israely ô! Ny nivarotana anareo tamin’ny firenena, tsy mba ny haringana; fa ianareo nihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra, no nanolorana anareo ho an-tanan’ny mpampahory. Satria nampahatezitra an’Ilay nanao anareo ianareo, tamin’ny nanoloranareo sorona tamin’ny demony, fa tsy tamin’Andriamanitra. Nanadino an’Ilay namelona anareo ianareo, dia Andriamanitra mandrakizay, ary nampalahelo an’ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema; fa hitany miantefa aminareo ny fahatezeran’Andriamanitra, ka nilaza izy hoe: “Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin’i Siôna, fa nanirahan’Andriamanitra fisaonana lehibe aho. Hitako ny fahababoan’ny zanako lahy aman-janako vavy; sy izay nampiharin’Ilay mandrakizay tamin’izy ireo. Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo, fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha. Aza dia misy mifaly e, saingy mahita ahy mpitondra-tena sy nilaozan’ny maro be! Efa lao aho noho ny fahotan’ireo zanako, satria izy ireo nivily nandao ny lalàn’Andriamanitra.

Matokia, anaka, miantsoa ny Tompo, fa hahatsiaro anareo Ilay nahatonga izany loza rehetra izany taminareo. Fa toy ny niheveranareo ny hanalavitra an’Andriamanitra no hikatsahanareo Azy amin-kafanam-po impolo heny rehefa tafaverina aminy ianareo. Satria Ilay nahatonga loza taminareo, dia hahatonga hafaliana mandrakizay aminareo kosa amin’ny famonjeny anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 68, 33-35. 36-37


Fiv.: Fa ny Tompo mihaino ny mahantra.

Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra; ny babo tsy hainy hamavoina. Hidera Azy anie ny tany sy ny lanitra, ny ranomasina sy izay mihelotrelotra ao!
Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna sy hanangana ny tanànan’i Jodà: ka hisy mponina indray ao, izay hivolon-tompony tokoa! Ny taranaky ny mpanompony no handova; izay tia ny Anarany no honina ao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 17-24


Noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.

Tamin’izany andro izany, dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: “Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”

Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: “Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy.” Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe: “Sambatra ny maso mahita izay hitanareo; fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary handre izay renareo fa tsy nandre.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin’ny fahoriako.


na hoe:

1 Jo. 3, 16

Izao no ahafantarantsika fa tena tia antsika Andriamanitra: nahafoy ny ainy ho antsika Izy, ka tsy maintsy mahafoy aina ho an’ny namana isika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin’i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin’ny voninahitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.118