Sorona Masina ny Zoma 04 oktobra 2019

Herinandro faha-26 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Dan 3, 31. 29. 30. 43. 42


Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jôba

Jôb. 38, 1. 12-21 ; 40, 3-5


Mba efa nandidy ny maraina va ianao sy mba efa nidina tany amin’ny loharanon-dranomasina?

Ny Tompo namaly an’i Jôba tao anatin’ny tafio-drivotra ka nanao hoe: “Mba efa nandidy ny maraina va ianao hatrizay niainanao? Moa nanondro ny fitoerany tamin’ny mazava atsinanana, mba handraisany ny tany amin’ny sisiny, sy hanintsanany ny ratsy fanahy hiala eo, mba hananan’ny tany endrika toy ny tanimanga voatombo-kase, ary hisehoany voaravaka toy ny manao fanamiana; mba tsy hananan’ny mpanao ratsy ny fahazavany; ary hotapahina ny sandry efa voaainga hanao ratsy? Mba efa nidina tany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao, sy efa nitsangantsangana tany amin’ny fanambanin’ny hantsana va ianao? Efa nisokatra teo anatrehanao va ny vavahadin’ny fahafatesana sy efa hitanao va ny varavaran’ny fonenana manjombona? Efa takatrao va ny halalahan’ny tany? Lazao raha mahalala izany rehetra izany ianao? Aiza ny lalana mankany amin’ny fonenan’ny mazava, ary aiza ny fitoeran’ny maizina? Hainao samborina va izy eny amin’ny taniny? Fantatrao va ny lalana eny amin’ny fonenany? Fantatrao tokoa mantsy izany a, fa ianao efa teraka talohan’izany ary efa maro manao ahoana ny isan’ny andronao?” Fa namaly ny Tompo i Jôba nanao hoe: “Inona moa no havaliko Anao izay izaho tsinontsinona itý? fa dia mitampim-bava aho. Efa niteny indray mandeha ka tsy hamaly intsony, efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 138, 1-3. 7-8. 9-10. 13-14ab


Fiv.: Tariho aho ho amin’ny lalam-pahagola.

Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra! Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro! Voadinikao aho na mamindra na miato; ny lalako tsy misy manavao Anao.
Aiza no hialako amin’ny Fofon’ainao? Aiza no handosirako tsy ho anoloanao? Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao; mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao!
Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho, mba honina any am-paran’ny ranomasina, mbola ny tananao no mitondra ahy any, eny: ny tananao no mitantana!
Ianao no nahary tongotra aman-tanana, sy Mpiaro hatrany an-kibon’i neny. Midera Anao aho fa mahatalanjona itý Ianao! Eny, mampitolagaga ny asanao!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Baròka

Bar. 1, 15-22


Nanota teo anatrehan’ny Tompo isika: ary tsy nanaiky Azy.

An’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana, antsika kosa ny henatra amin’ny tava, araka izao hita anio izao, ho an’ny lehilahy rehetra any Jodà, sy ny mponina any Jerosalema, ho an’ny mpanjakantsika sy ny mpifehy, ho an’ny mpisorontsika mbamin’ny mpaminany, sy ho an’ny razantsika. Nanota teo anatrehan’ny Tompo isika ary tsy nanaiky Azy. Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika, tsy nanaraka ny didin’ny Tompo, izay navoakany teo anatrehantsika. Hatramin’ny andro nitondran’ny Tompo ny razantsika hiala tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka ankehitriny, dia tsy nety hoentin’ny Tompo Andriamanitsika isika, sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony. Koa araka izay hita anio izao, dia zoin-doza lehibe isika sy azon’izay ozona notononin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta, mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely. Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika, araka ny teny rehetra nataon’ireo mpaminany, izay nirahiny nankatý amintsika. Dia nandeha isika, samy nanaraka ny fitongilanan’ny fony ratsy avy, mba hanompo andriamani-kafa, sy hanao ny ratsy eo imason’ny Tompo Andriamanitsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 78, 1-2. 3-5. 8-9


Fiv.: Afaho izahay, avelao ny otanay: noho ny Anaranao.

Andriamanitra ô, tongan’ireo firenena ny Lovanao! Nolotoiny ny Tempolinao Masina! Ary Jerosalema nataony korontam-bato! Ny fatin’ny mpanomponao nomeny ho sakafon’ny voro-manidina, ny nofon’ny mpivavaka aminao, natsipiny ho an’ny bibidia!
Ny rany nataony mandriaka toy ny rano manodidina an’i Jerosalema! Ary tsy misy mandevina!... Zary faneson’ny mpifanila aminay izahay, sy fanakora sy fandatsan’ireo manodidina! Mandra-pahoviana, ry Tompo, no hahaviniranao, sy hiredaredan’ny hasaro-piaronao?
Aza dia tsarovana hamelezana anay ireo helokay fahiny; ny indrafonao atsena anay faingana, fa reraka loatra izahay!
Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy, noho ny voninahitrao! Afaho izahay, araka ny otanay noho ny Anaranao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 13-16


Izay manamavo Ahy, manamavo Izay naniraka Ahy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: “Loza ho anao, ry Kôrôzaïna, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona. Noho izany, amin’ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidôna noho ny aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao. Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin’ny fahoriako.


na hoe:

1 Jo. 3, 16

Izao no ahafantarantsika fa tena tia antsika Andriamanitra: nahafoy ny ainy ho antsika Izy, ka tsy maintsy mahafoy aina ho an’ny namana isika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin’i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin’ny voninahitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081