Sorona Masina ny Alahady 29 septambra 2019

ALAHADY FAHA-26 mandavantaona — D

NY SOA ATAO LEVENAM-BOLA

Tononkira fidirana

Dan. 3, 31. 29. 30. 43. 4.

Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben’ny famindram-ponao izahay.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao, koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin’ny zava-tsoa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Amôsy Mpaminany

Am. 6, 1a. 4-7

Ianareo izay nandihindihy sy nihirahira dia ho lasa sesitany.

Izao no lazain’ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra: “Mila loza ireo mandry feizay ao Siôna, sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr’i Samaria. Mandriandry eo ambony farafara ivoara izy ireo; sy mivalàndotra eo amin’ny sofàny; mihinana ny zanak’ondry avy amin’ny andian’ondry izy ireo, sy ny zanak’omby voafahy ao an-tranon’omby. Mandihindihy manaraka ny feon-dokanga izy; namorona zava-maneno, toa an’i Davida. Kôpy lehibe no isotroany divay; diloilo manitra faran’izay tsara no ihosorany; ary tsy mankararirary azy akory ny loza manjo an’i Jôsefa. Koa ho lasa izy ireo hatao sesitany ho lohan’ny lasan-ko babo; ary tsy hisy intsony ny hobim-pifalian’ireo mpanaram-batana ireo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10


Fiv.: Derao ny Tompo, ry fanahiko.

Ny Tompo mitandrina mandrakizay ny fahamarinana sy manome rariny izay ampahoriana. Ny Tompo manome sakafo ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba Izy, Tompo mampitraka ny miondrika. Tompo mpiaro ny vahiny, tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.
Tompo tia ny olo-marina fa ny olon-dratsy aviliviliny. Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby, ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim. 6, 11-16


Tahirizo ny didy hatramin’ny fisehoan’ny Tompo.

Ry olon’Andriamanitra, katsaho ny fahamarinana, ny fahazotoa-mivavaka, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana, ny fahalemem-panahy. Miadia ny ady tsaran’ny finoana, ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao, sy nanaovanao fanekem-pihavanana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro. Izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa, Izay vavolombelona nanao fanekena fatratra faha-Pôntsy Pilaty: tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo. Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 16, 19-31

Nahita soa ianao, ary i Lazara kosa tra-pahoriana, Koa ankehitriny mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny Farisianina: “Nisy mpanan-karena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika, sady nanao fihinanam-be isan’andro. Ary nisy kosa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara nivalàndotra teo am-bavahadiny. Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin’ny latabatr’ilay mpanan-karena izy, fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny. Ary maty ilay mahantra ka nentin’ny Anjely teo an-tratran’i Abrahama; dia maty koa ilay mpanan-karena ka nalevina.

Tao amin’ny fitoeran’ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra, ka tazany teny lavitra eny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany, ka niantso izy nanao hoe: ‘Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko, mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay, fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity!’ Fa hoy i Abrahama taminy: ‘Anaka, tsarovy fa tamin’ny andro niainanao, ianao moa nahita soa, ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana: koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana. Sady amin’ireto toerantsika ireto, dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika, ka izay te-hiala aty hankany aminareo tsy afaka; ary izay eny kosa tsy afaka miampita aty’. Dia hoy izy: ‘Mihanta aminao re aho, ry kiaky, mba iraho kely i Lazara ho any an-tranon-draiko (fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy marina, fandrao tonga amin’itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo’. Fa hoy i Abrahama taminy: ‘Manana an’i Môizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an’ireo izy’. Fa hoy izy: ‘Tsia re, ry kiaky Abrahama ô! fa raha anankiray amin’ny maty no mankany aminy, dia hibebaka izy’. Fa hoy i Abrahama taminy: ‘Raha tsy mihaino an’i Môizy sy ny Mpaminany izy, tsy hino na dia misy mitsangana avy any amin’ny maty aza”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mila ho revon’ny fitadiavana isika olombelona, ka tsy rototra amin’ny tena fiainana miaraka amin’Andriamanitra; koa mangataha amin’i Kristy mba hamelona ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana sy ny fahasambarana ao am-pon’ny olona.

Valy: Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao.

* Fanaon’ny Eglizy ny manainga ny manam-pitiavana mba hamonjy ny mijaly, koa mivavaha mba hahita soa amin’izany ireo rehetra ianjadiam-pahoriana isan-karazany.
* Ireo be harena eo am-pelatanana dia tokony hahalala fa mpiandry omby volavita ny tenany; ka mivavaha mba hampian’Andriamanitra izy hamonjy ny mahantra.
* Mivavaha ho an’ny mahantra eran’izao tontolo izao; mba tsy ho vato misakana azy tsy hanatona an’Andriamanitra ny tsy fahampiany, fa mainka hampitodika azy amin’ilay Tompon’ny harena rehetra.
* Mivavaha ho an’ny tanora miala sakana mba tsy ho very finoana izy, fa hahita lalana hananana finoana matotra antonona olon-dehibe, hiainany tanteraka miaraka amin’Andriamanitra.
* Mangataha mba ho toy ny mpiray tam-po isika iray fiangonana, hahaizantsika mifanampy sy mifamonjy, mba tsy hisy mahantra tsy ho voatsimbina, na mpanan-karena manao mamy fo velona eto amintsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, mba omeo fo mahay mangoraka ireo mpanan-karena, ary mba ataovy manana ny ilaina mandrakariva ireo mahantra. Enga anie, noho ny asan’ny kristianina vahoakanao, tsy hisy mpanefoefo manana fo vato sy fadiranovana miofy akondro vava intsony; ary enga anie, na izahay na ny olombelona rehetra, na ny firenena rehetra mba hifanampy sy hifanasoa marina tokoa.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie ity tolotra entinay ity sy ho tonga Ioharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra II, ohatra.


Kômonio

Sal. 118, 49-50

Tsarovy ny teninao tamin’ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay asainao antenaiko; izany no fiononako amin’ny fahoriako.


na hoe:

1 Jo. 3, 16

Izao no ahafantarantsika fa tena tia antsika Andriamanitra: nahafoy ny ainy ho antsika Izy, ka tsy maintsy mahafoy aina ho an’ny namana isika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, ity mistery avy any an-danitra ity; ary miara-mijaly amin’i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin’ny voninahitrao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0572