Sorona Masina ny Talata 24 septambra 2019

Herinandro faha-25 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana


Izaho no vonjin’ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Ohabolana

Ohab. 21, 1-6. 10-13


Andriamanitra mamarina ny ratsy fanahy amin’ny loza.

Rano mandeha eo an-tanan’ny Tompo ny fon’ny mpanjaka, ka atongilany amin’izay rehetra tiany. Mahitsy eo imason’ny olona ny lalany rehetra, nefa ny Tompo ihany no mandanja ny fo. Ny manaraka ny rariny sy ny hitsiny, no tsara eo imason’ny Tompo mihoatra noho ny sorona. Ny fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fanilon’ny ratsy fanahy, dia fahotana avokoa izany. Ny fikasan’ny olona mazoto, ahazoan-karena be; fa izay mikorapaka foana amin’ny ataony dia mosary ihany no azony. Ny rakitra azon’ny lela mandainga, dia rehareha mihelina ho an’olona mila faty. Maniry ny ratsy ny fanahin’ny ratsy fanahy, ka ny sakaizany avy no tsy mahita fitia aminy. Raha faizina ny ratsy fanahy, mihahendry ny kely saina, ary raha toroana ny hendry dia vao mainka mihahendry. Dinihin’ny marina ny tranon’ny ratsy fanahy; Andriamanitra mamarina ny ratsy fanahy amin’ny loza. Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra, dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 1 sy 27. 30 sy 34. 35 sy 44.


Fiv.: Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho, ry Tompo, fa io no hafinaretako.

Sambatra izay madio famindra, fa mizotra amin’ny Lalan’ny Tompo. Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Ny lalan’ny fahamarinana no nofidîko; ny satanao tsy hadinoiko. Omeo fahalalana aho hitandremako ny Lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo!
Ampizory amin’ny soritry ny baikonao aho: fa io no hafinaretako. Izaho mitandrina ny Lalànao lalandava, ka ho mandrakizay an-taranoana.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Esdrasa

Esdr. 6, 7-8. 12b. 14-20


Noravahan’izy ireo ny tranon’ny Tompo, dia nataony ny Paka.

Tamin’izany andro izany, nanoratra tamin’ireo mpitondra faritany terý am-pitan-drano i Dariosa mpanjaka nanao hoe: “Avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra; aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo. Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody, hanorenana indray ny tranon’Andriamanitra io: ny haren’ny Mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony, no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy. Didy nomeko izaho Dariosa itý; ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.”

Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian’i Akjea mpaminany, sy i Zakaria zanak’i Adao. Nanao izy dia nahavita araka ny didin’Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa, i Dariosa, i Artakserksesa mpanjakan’i Persa. Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara, taona fahenina nanjakan’i Dariosa mpanjaka, no nahavitan’ny trano. Ary ny zanak’i Israely, ny mpisorona, ny Levita, ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana, dia samy nitokana ny Tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana. Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io: ombalahy zato, ondralahy roan-jato, zanak’ondry efa-jato ary osilahy roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny fokon’i Israely, ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra. Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny Levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môizy. Tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany, dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana. Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka, ka samy efa madio avokoa. Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra, sy ho an’ny rahalahiny mpisorona, ary ho an’ny tenany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5


Fiv.: Faly aho nilazana hoe: andao ho any an-tranon’ny Tompo.

Faly aho nilazana hoe: andao ho any an-tranon’ny Tompo; ny tongotray indro mijadona eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
Ry jerosalema ilay voaorina ho tanàna tsara rafitra, hiakaran’ireo foko, dia ny fokon’ny Tompo.
Fa didy, ry Israely, ny midera ny Anaran’ny Tompo; ao no mijoro ny fiketraham-pitsarana, ny fiketrahan’ny tranon’i Davida.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 8, 19-21


Ny reniko sy ny havako dia ireo izay mihaino ny tenin’Andriamanitra sy manatanteraka azy.

Tamin’izany andro izany, tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny, fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka, ka nisy nilaza taminy hoe: “Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.” Dia novaliany hoe: “Ny reniko sy ny rahalahiko, dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin’ny finoana anie mba ho azonay amin’ny Sakramenta.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.


na hoe:

Jo. 10, 14

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; fantatro izay ondriko ary ny ondriko mahalala Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin’ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0085