Sorona Masina ny Alahady 22 septambra 2019

ALAHADY FAHA-25 mandavantaona — D

ALEO VERY TSIKALAKALAM-BOLA TOY IZAY VERY TSIKALAKALAM-PIHAVANANA

Tononkira fidirana

Izaho no vonjin’ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjo azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Amôsy Mpaminany

Am. 8, 4-7

Aza vidîna vola ny fadiranovana.

Mihainoa izao, ianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin’ny tany, manao hoe: “Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hakelezina; ny sikla hampitomboina; ny mizàna, hatao mandainga, hamitahana. Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin’ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary loha-kororoka?” Efa nianiana tamin’ny reharehan’i Jakôba ny Tompo nanao hoe: “Tsy hohadinoiko mandra-piavin’ny farany, izay rehetra nataon’izy ireo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 112, 1-2. 4-6. 7-8


Fiv.: Derao ny Tompo, Ilay manandratra ny mahantra avy ao an-jezika.

Miderà, ry mpanompon’ny Tompo: derao ny Anaran’ny Tompo: Ny Anaran’ny Tompo anie hisaorana hatrizao ka ho mandrakizay!
Ambonin’ny firenena rehetra ny Tompo; ambonin’ny lanitra ny voninahiny. Iza no tahaka ny Tompo Andriamanitray, Ilay mipetraka ambony dia ambony, nefa miondrika mba hitazana ny any an-danitra sy ny ety an-tany?
Izy ilay manala ny ory amin’ny vovoka, manandratra ny mahantra eo an-jezika mba hampitoerina anilan’andriana, dia ny andriandahin’ny vahoakany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim. 2, 1-8


Izany no tsara sy ankasitrahina eo imason’Andriamanitra, Ilay tia ny hahavonjy ny olona rehetra,

Ny angatahiko voalohany indrindra, dia ny hanaovana fivavahana, fangatahana, fifonana, ary fisaorana ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka sy ho an’ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika amim-piadanana sy fandriam-pahalemana, amim-panajana an’Andriamanitra sy fahamaotonana tanteraka. Izany no tsara sy ankasitrahina eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika, izay tia ny hahavonjy ny olona rehetra, sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina. Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona, izay nanolotra ny Tenany ho avotry ny olombelona rehetra: zavatra voaambara tamin’ny fotoany izany, ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga. Koa ny lehilahy, tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia,

Izay tia Ahy dia hitandrina ny teniko ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 16, 1-13 (lava) na 10-13 (fohy)

Tsy afaka manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany: “Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‘Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao’. Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakam-po hoe: ‘Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity. Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rehefa esorina amin’ny raharahako aho’. Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’. Namaly io hoe: ‘Diloilo injaton’ny barika’. Dia hoy ny mpitandrina taminy: ‘Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo’. Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’. Namaly kosa io hoe: ‘Vary injaton’ny famarana’. Dia hoy ilay mpitandrina: ‘Raiso ny taratasinao dia soraty valopolo’. Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina, satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana. Ka hoy Aho aminareo: Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo”.


Eto no manomboka raha ny fohy no atao, ka izao no anombohana azy:

(Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:)

“Izay mahatoky amin’ny kely, dia mahatoky amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tsy natao hotompoina ny vola aman-karena, fa natao hoenti-manompo an’Andriamanitra sy ny namana, koa mangataha isika mba hahay hifidy an’Andriamanitra fa tsy ny vola, ary hitsinjo ny ory amin’izay harena eo an-tanantsika.

Valy: Ianao no Rainay sy Andriamanitray.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy mba ho hita bebe kokoa hatrany fa Eglizy mpamonjy ny ory izy sy mpampihavana ny olombelona amin’Andriamanitra sy amin’ny samy olombelona.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra manan-toerana sy andraikitra amin’ny fitondram-bahoaka, mba hampian’Andriamanitra tsy ho resin’ny vola sy ny fanangolena, ary mba ho tena mpanasoa ny vahoaka tokoa.
* Mivavaha ho an’ny firenena rehetra eran-tany mba hahay hifanatona sy hifanaja ary hifanampy tsy misy fihatsarambelatsihy, hampandroso ny fiadanana araka an’Andriamanitra.
* Be ny raim-pianakaviana sy renim-pianakaviana sahiran-tsaina lava izao, mieritreritra ny vola tsy ampy, ka mivavaha mba ho araka ny rariny ny fitsinjarana ny vola eo amin’ny fiainam-bahoaka.
* Mivavaha ho an’ny fiangonantsika: mba tsy ny fiaraha-mivavaka ihany no hisehoantsika, fa ny fifanampiana sy ny fifamonjena isan-karazany eo amin’ny fiainana mihitsy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ampianaro izahay ho mpanomponao hahay hanorina ny Fanjakanao; ary enga anie mba ho kinga noho ny zanaky ny maizina ireo zanaky ny mazava ampian’ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin’ny finoana anie mba ho azonay amin’ny Sakramenta.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Vavaka Fisaorana faha-8 na 9, ohatra.


Kômonio

Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako: ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.


na hoe:

Jo. 10, 14

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; fantatro izay ondriko, ary ny ondriko mahalala Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin’ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078