Sorona Masina ny Asabotsy 21 septambra 2019

21 Septambra

Md. MATIO, Apôstôly Evanjelista

(Taonjato voalohany)

 

Fankalazana

Anisan’ny anarana mahavantana indrindra amin’ireo Apôstôly ny an’i Matio, izay antsoina koa hoe Levi. Mpamory hetra ho an’ny Rômanina no raharahany, ka voatombana ho mpanota izy eo imason’ny Jody. Rahefa nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy anefa izy, dia tsy nisalasala nandao ny zava-drehetra ary nanasa an’i Jesoa hisakafo tao aminy aza ho mariky ny hafaliany (Lk. 5, 28-29). Izy no nanoratra ny Evanjely voalohany amin’ny Evanjely efatra.
Mendrika halaintsika tahaka ny tsy fisalasalan’i Matio hanaraka ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny fifikirana aminy mandra-pahafaty.

 

Tononkira fidirana

Mt. 28, 19-20

Ndeha ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra ka ataovy batemy, ary ampianaro hitandrina izay rehetra nandidiako anareo, hoy ny Tompo.

 

Asiana Voninahitra anie...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, tsy hay lazaina ny indrafonao fa poblikanina i Masindahy Matio no nofidinao ho Apôstôly; ary ankaherezin’ny ohatra navelany sy ny vavaka ataony izahay, ka mba ataovy manaraka Anao sy miraiki-po mafy aminao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 4, 1-7. 11-13

 

Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho Evanjelista.

Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo, amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana; mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana; fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray; tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray, ary Andriamanitra iray izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra. Samy manana ny ambaratongany anefa ny fahasoavana nomen’i Kristy antsika tsirairay avy. Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho Evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin’ny fandavorariana ny olona masina, dia amin’ny fandrafetana ny Tenan’i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak’Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 18, 2-3. 4-5

 

Fiv.: Manerana ny tany rehetra ny feony.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra. Ny asany kosa torìn’ny habakabaka. Ny andro milaza amin’ny andro manaraka; ny alina indray mitantara amin’ny alina.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany, tsy feo mba manako horenesin’ny sofina: kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony; miely tsy tana ny hafatra entiny.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 9-13

 

Andeha hanaraka Ahy ianao. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe i Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: “Andeha hanaraka Ahy ianao.” Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Nahoana itý Mpampianatrareo no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?” Fa hoy i Jesoa nandre izany: “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehana àry ianareo, ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: ‘Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona’; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mahatsiaro an’i Masindahy Matio izahay, ry Tompo, no manolotra vavaka sy Sorona fitalahoana aminao: koa mba tsinjovy sy ambino ny Eglizinao fa velominao amin’ny finoana nampianarin’ny Apôstôly.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Apôstôly I

 

Kômonio

Mt. 9, 13

Tsy tonga hiantso ny olo-marina Aho, fa tonga hiantso ny mpanota, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, faly nanasa ny Mpamonjy tao an-tokantranony i Masindahy Matio, ary miombon-kafaliana aminy izahay, ka mba ataovy mahazo hery lalandava amin’ny sakafo atolotr’Ilay Mpamonjy tsy tonga hiantso ny marina fa ny mpanota.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1086