Sorona Masina ny Talata 17 septambra 2019

Herinandro faha-24 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sir. (Ekl.) 36, 18

 

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak’i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

 

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin’ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 12, 12-14. 27-31a

 

Ianareo no vatan’i Kristy sy rantsam-batany

Ry kristianina havana, toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa i Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na olom-potsy; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra. Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro. Ianareo no vatan’i Kristy, ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.

Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly; faharoa mpaminany; fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny. Moa Apôstôly izy rehetra? Moa mpaminany izy rehetra? Moa mpampianatra izy rehetra? Moa manao fahagagana izy rehetra? Moa nahazo fanomezana hanasitrana izy rehetra? Moa miteny teny samihafa tsy fantatra izy rehetra? Moa mandika teny izy rehetra? Fa ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

 

Fiv.: Vahoakany sy ondry fiandriny isika.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo. Ka fo falifaly anompoana ny Tompo. Tongava eo aminy mihira, miravo. Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Fa Azy isika satria nohariany, sy tena vahoakany, ondry fiandriny. Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra. Ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory. Miaiky isika fa tsara ny Tompo. Fa mandrakizay ny fitiavany antsika, amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timote

1 Tim. 3, 1-13

 

Ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny; toy izany koa ny Diakra: mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio.

Tena marina izao teny izao: raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy. Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanam-bady, afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy lian-divay, tsy mikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola, mahay mitondra ny ankohonany, sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary; fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana ny fitondra ny Eglizin’Andriamanitra? Tsy zazavao amin’ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony. Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa, fandrao dia afa-baràka sy voan’ny fandriky ny demony.

Toy izany koa ny Diakra, dia aoka ho olona maotona, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy tia harena foana, mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio; ary aoka hozahan-toetra izy aloha, vao manao ny raharahany, rahefa hita fa tsy manan-tsiny. Toy izany koa ny vadiny, dia aoka ho olona manaja tena, tsy mpifosa, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra. Aoka ny Diakra ho olona tsy nanam-bady afa-tsy indray mandeha, sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany. Fa izay nahatontosa tsara ny raharahany, dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany, sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 100, 1-2ab. 2de-3. 5. 6.

 

Fiv.: Ny fahamarinana no monina ato amiko.

Ny hatsaram-po sy ny rariny no fikàloko; Ianao, ry Tompo, no fiàntsako! Izaho mitandrina ny lala-madio, ny fahamarinana no monina ato amiko!
Izaho miaina amim-po madio ao an-tranoko, tsy mba mamorona fikasan-dratsy! Ny mpihatsaravelatsihy dia halako, tsy ekeko hiraikitra amiko!
Ny mpanebaka namana an-takona, fongorako, ny maso mianjona, ny fo miavona levoniko mihitsy.
Ny masoko dia amin’ny mpino amin’ny tany mba honenany eo anilako. Ny mizotra amin’ny lala-madio no mpanompoko.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 7, 11-17

 

Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima, ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy. Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina, zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny, ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy. Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy, ka nanao taminy hoe: “Aza mitomany.” Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona; dia nijanona ny mpilanja, ary hoy i Jesoa: “Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.” Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny, ary nomen’i Jesoa an-dreniny. Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: “Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.” Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra izany teny fankalazana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon’ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak’olombelona hialoka ambany elatrao.

 

na hoe:

1 Kôr. 10, 16

Ny kalisy izay isaorantsika dia firaisana amin’ny Ran’i Kristy; ny mofo izay vakîntsika dia firaisana amin’ny Vatan’i Kristy Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin’ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0615