Sorona Masina ny Zoma 06 septambra 2019

Herinandro faha-22 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 85, 3. 5


Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin’izay rehetra miantso Anao!


Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 4, 1-5


Haneho ny fanirian’ny fo Andriamanitra.

Ry kristianina havana, aoka hataon’ny olona ho mpandraharahan’i Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin’Andriamanitra. Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra. Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain’ny andron’ny olona; fa na izaho aza tsy mitsara tena. Satria tsy hitako izay tsiniko nefa tsy mahamarina ahy izany, fa ny Tompo no mpitsara ahy. Noho izany, aza mitsara alohan’ny fotoana, dia mandra-pahatongan’ny Tompo; fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin’izay vao samy hahazo izay dera tandrifin’azy tsirairay avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 36, 3-4. 5-6. 27-28. 39-40


Fiv.: Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo, manaova ny tsara; monena amin’ny tany; miraota amin-toky. Eny, ny Tompo no iravoy: dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ankino amin’ny Tompo ny lalanao; miantehera aminy: fa Izy no hanao; ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana; ny fahamarinanao ho mitataovovonana.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara, raha tahiny te-haharitra mandrakizay. Fa ny Tompo dia tia ny rariny, ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo; fa Izy no màndany amin’ny andro fahoriana. Ny Tompo mitahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 1, 15-20


Tamin’ny alalany sy tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra.

I Kristy Jesoa no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao; tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra. Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy; Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty, mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy; satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra; ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rahefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny tenany, na ny etý an-tany na ny any an-danitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5.


Fiv.: Tongava eo anoloan’ny Tompo amin-karavoana.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo ka fo falifaly anompoana ny Tompo; tongava eo aminy, mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra, fa Azy isika satria nohariany sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra, ny ao an-kianjany idiro amin-dera. Derao Izy Tompo, ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo, fa mandrakizay ny fitiavany antsika, amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 5, 33-39


Rahefa esorina teo aminy ny mpampakatra: amin’izay vao hifady hanina izy ireo.

Tamin’izany andro izany, ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe: “Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?” Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra, raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo.” Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe: “Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao, fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao. Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa, fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina; fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa. Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe: ‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin’itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben’ny hatsaranao izay omaninao ho an’ny matahotra Anao!


na hoe:

Mt. 5, 9-10

Sambatra ny mpampihavana fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra izay enjehina noho ny amin’ny rariny fa azy ireo ny fanjakan’ny Lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.02