Sorona Masina ny Talata 03 septambra 2019

Herinandro faha-22 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 85, 3. 5


Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin’izay rehetra miantso Anao!


Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 2, 10b-16


Tsy azon’ny olona ara-batana ny zavatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra, fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zava-drehetra.

Ry kristianina havana, mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin’Andriamanitra aza. Iza ary no hahalala izay ao am-pon’ny olona, afa-tsy ny fanahiny izay ao anatiny ihany? Toy izany koa, tsy misy mahalala izay ao anatin’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. Ary isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny Fanahy avy amin’Andriamanitra, mba hahalalantsika ny zavatra nomen’Andriamanitra antsika tamin’ny fahasoavany. Tsy mba amin’ny teny ampianarin’ny fahendren’olombelona no ilazanay an’izany, fa amin’ny teny ampianarin’ny Fanahy, satria zavatra ara-panahy izany, ka lazainay amin’ny teny ara-panahy koa.

Tsy azon’ny olona ara-batana anefa ny zavatra avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra; ataony ho fahadalana izany, fa tsy hainy fantarina velively, satria amin’ny Fanahy no hany amantarana izany. Fa ny olona ara-panahy no mitsara ny zavatra rehetra, sady tsy azon’olona tsaraina. Satria zovy àry no mahafantatra izay hevitry ny Tompo, ka ho afa-mampianatra azy? Fa isika manana ny hevitr’i Kristy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 8-9. 10-11. 12-13ab, 13de-14


Fiv.: Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo.

Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo; mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!
Tompo ô! midera Anao ny asanao rehetra! Misaotra Anao ny mpivavaka aminao! Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery, sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao! Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao; amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra! Ny Tompo manohana izay rehetra lavo, sy mampitraka izay mitanondrika.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 5, 1-6. 9-11


Maty ho antsika Izy, mba hahatonga antsika hiara-belona aminy.

Ry kristianina havana, ny amin’ny andro sy ny fotoana hiavian’ny Tompo, dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo, satria efa mahalala marina rahateo ianareo fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo. Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: “Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany!” iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy afa-mandositra izy.

Ianareo, anefa, ry kristianina havana, dia tsy mba ao amin’ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany; fa zanaky ny mazava avokoa ianareo, ary zanaky ny andro koa; tsy misy an’ny alina isika na an’ny maizina akory. Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika, fa aoka hiari-tory sy hifady hanina. Satria tsy ho an’ny fahatezerana no nanendren’Andriamanitra antsika, fa ny hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompotsika, izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy, na mahatsiaro na matory isika. Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo, ary mifamporisiha handroso, araka ny efa ataonareo rahateo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14


Fiv.: Matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy sy tozoiko indrindra, ry Tompo: dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra iainako.
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona. Mahandrasa ny Tompo, marisiha; mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 4, 31-37


Fantatro raha Ianao, dia Ilay Masin’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea, ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata, ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy. Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto, ka niantso mafy nanao hoe: “Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.” Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: “Mangina ary mialà amin’io lehilahy io.” Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory. Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: “Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny.” Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin’itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben’ny hatsaranao izay omaninao ho an’ny matahotra Anao!


na hoe:

Mt. 5, 9-10

Sambatra ny mpampihavana fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra izay enjehina noho ny amin’ny rariny fa azy ireo ny fanjakan’ny Lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084