Sorona Masina ny Alatsinainy 02 septambra 2019

Herinandro faha-22 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 85, 3. 5


Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin’izay rehetra miantso Anao!


Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 2, 1-5


Ny misterin’i Jesoa Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana no notorìko taminareo.

Ry kristianina havana, fony aho tonga tany aminareo, dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo. Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy i Jesoa Kristy aho tany aminareo, indrindra fa Izy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana. Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo; sady tsy mba tamin’ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin’ny fanehoan’ny Fanahy Masina sy ny herin’Andriamanitra azy ho marina, mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’olombelona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 97-98. 99-100. 101-102


Fiv.: Drey izato fitiavako ny lalànao.

Drey izato fitiavako ny lalànao! Izy no fibitsiko tontolo andro! Ny baikonao mahahendry ahy noho ny fahavaloko, sady ahy mandrakizay!
Hendry noho ny mpampianatra ahy rehetra aho: satria ny Fanambarànao no fisaintsaiko! Manam-pahalalana mihoatra ny zokiolona aho: satria ny lahatrao no fandiniko!
Aviliko tsy hankamin’ny lalan-dratsy ny tongotro, mba hitandremako ny teninao! Tsy mba miala amin’ny satanao aho; eny, Ianao tokoa no nampianatra ahy!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 4, 13-18


Amin’ny alalan’i Jesoa no hitondran’Andriamanitra ireo nody mandry hiaraka aminy koa.

Ry kristianina havana, tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo. Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin’ny alalan’i Jesoa. Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory; fa hisy baiko homena, sy feon’arkanjely, ary feon-trômpetran’Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny tenan’Izy Tompo, ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha; rahefa izany, hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika. Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 95, 1 sy 3. 4-5. 11-12. 13


Fiv.: Tamy ny Tompo hitsara ny tany.

Ihirao hira vao ny Tompo! Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo! Ambarao ny firenena ny voninahiny, ny vahoaka rehetra, ny asany mahagaga!
Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra, mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra! Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa; ny Tompo kosa nanao ny lanitra!
Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany, hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy, hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy, hanakora avokoa ny hazo any an’ala.
Mba hitsena ny Tompo; fa tamy Izy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 4, 16-30


Nirahiny hitory ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho ... Tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy, ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.” Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.” Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo: “Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?” Ary hoy kosa i Jesoa taminy: “Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: “Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.” Dia notohiziny hoe: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany.”

Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin’itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben’ny hatsaranao izay omaninao ho an’ny matahotra Anao!


na hoe:

Mt. 5, 9-10

Sambatra ny mpampihavana fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra; sambatra izay enjehina noho ny amin’ny rariny fa azy ireo ny fanjakan’ny Lanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin’ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192