FANAZAVANA NY FIZOTRAN’NY LITORJIA AMIN’NY LAMESA

1. admin ( 14/09/2013 21:47)

Misy fizarana roa lehibe ny Sorona Masina

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra: izay mifarana eo amin’ny Ranombavaka

Fankalazana ny Eokaristia: izay manomboka amin’ny rakitra

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Fidirana

Filazana ny andro amin’... Tohiny
2. Hlanto ( 14/09/2013 21:47)
Iraisan'ny VALIA rehetra ve io sa ny avy ao Ambohipo ihany no mapiatra an'io ?
3. admin ( 14/09/2013 21:49)
Ny lohateny dia hoe "FANAZAVANA NY FIZOTRAN’NY LITORJIA AMIN’NY LAMESA"

Ny mpiandraikitra ny VALIA Ambohipo dia nanoratra fotsiny.
4. Hlanto ( 14/09/2013 21:56)
Misaotra indrindra, voaray.
5. princen ( 01/12/2013 13:15)
misaotra fa mbola maro ny mandeha ampiangonana fa tsy mahalala ny tokony atao sy hevitry zavatra atao mandritra NY lamesa
6. RadoH ( 09/07/2014 19:46)
Misaotra amin'ny fanazavana tena ilaina toy izao. Tiako anontaniana ny momba ny vaovaom-piangonana. Amin'io fotoana io no be ny mpino mivoaka any ivelany. Ny fiangonana anefa amin'ny maha fianakaviana azy dia tsy maintsy mifampizara vaovao. Koa angatahako hamaly izay mahafantatra misimisy kokoa ny fanazavana ny anjara-toeran'ny vaovao-piangonana amin'ny litorjia
7. admin ( 10/07/2014 07:55)
Ny vaovaom-piangonana dia fifandaminana fa tsy tafiditra ao anaty litorjia. Izany anefa tsy midika hoe tsy zava-dehibe ilay izy satria fiainam-piangonana mihitsy.
Mila jerena ny vahaolana. Inona no antony mahatonga ny olona hivoaka any ivelany? Sao dia tsy henony akory ilay vaovaom-piangonana na ao anatiny aza izy satria tsy mazava ny fanamafisam-peo na koa tsy mazava ny famakin'ilay mpamaky vaovao? Sao dia maha monamonaina loatra ilay vaovao fa tsy mba vaovao intsony?
Anjaran'ny komitin'ny paroasy no mitady fomba hahafahan'ny olona manaraka ny vaovaom-piangonana. Azo atao ny mamoaka gazety kely (takelaka iray isank'alahady misy vaovaom-piangonana) na ny mandefa ny vaovaom-piangonana amin'ny email sns.
8. RadoH ( 10/07/2014 17:36)
Misaotra betsaka amin'ny fanazavana.
admin:

9. rakantofinaritra ( 07/08/2014 08:15)
Misaotra anareo fa tena mazava be mihitsy ilay izy!
10. Judico25 ( 12/11/2014 07:09)
Misatra
11. Delphin ( 15/11/2014 13:19)
Mankasitraka. Fianarana fôna ny fiainana
12. makouto ( 24/11/2014 04:33)
misaotra fa mba mila fanazavana amin'izay aho refa azo izay ny théorie dia mba ny pratique indray no mba anontaniako
inona avy ny dikan'ny fihetsika atao mandritra ny lamesa sao de mba misy afaka mampahafantatra mciii ôôô
13. hery ( 24/11/2014 08:52)
Fihetsika ao amin'ny lamesa:

Ny fihetsika tsirairay dia samy manana ny heviny, ary misy heviny daholo nefa fa tsy ataotao foana. Na ny fihetsiky ny pretra na ny fihetsika sy paozin'ny olona. Matetika dia mifandray amin'ny fombam-pivavahana talohan'ny konsily vatikana II izay indraindray tsy dia azon'ny tanora sy ny fiangonana taty aoriana (indrindra ny any Afrika).
Azon'ny eveka miandraikitra ny litorjia atao anefa ny mamorona fihetsika vaovao araka ny fomban-tany (ohatra ilay fifanomezam-piadanana mifandray tanana sy mandihy) rehefa tsy mivoaka amin'ny hevitra lazain'ny Sorona Masina amin'ny ankapobeny.

Dia iza amin'izay ny fihetsika mahaliana?
14. dadasy ( 24/02/2015 05:52)
Zany hono ry Makouto a! inona hono le fihetsika mahaliana!
hery:

15. makouto ( 24/02/2015 06:45)
salama daolo ny fihetsika rehetra mandritra ny lamesa toy ny hoe velarina ny tanana dia avy eo akombona fotsiny ohatra amin'ny RAINAY ANY AN-DANITRA satria indraindray tsy manao ny sasany mety tsy ho hainy ny dikany angamba
zay aloha valiana
faharoa angaha tsy mivavaka moa ao am-piangonana no mbola miteny ny Pretra eny an-tsiefatsiefany eny hoe "aoka isika hivavaka" misaotra ôôô
dadasy:

16. dadasy ( 24/02/2015 07:32)
Amin'ny ankapobeny, ny fihetsiky ny vatana na ratsam-batana dia entina manamafy na manitrikitrika ny teny ambara. Matetika manko mazava kokoa ary mafonja kokoa ny tiana ambara rehefa arahina fihetsika. Ohatra, raha miantso fotsiny aho hoe: "avia atÿ" dia antso izay, fa raha sady miteny aho hoe avia atÿ no mbola arahiko kopa-tanana izany teny izany, dia toa manamafy ilay fiantsoana. Misy olona amin'ny firenena sasany dia tsy mahatafavoaka ny tiany ambara mihitsy raha tsy misy fihetsika, ohatra ny italianina.

Toy izany koa ny fihetsika mandritra ny litorjia: entina manamafy na maneho ny votoatin'ny vavaka atao ny fihetsika atao. Ireny fihetsika ireny anefa dia tsy tongatonga ho azy fa efa nolovaina nandritra ny taonjato maro. Mety ho nisy niandohany. Ohatra ny nataon'i Moizy rehefa niady tamin'ny Amaleka ny zanak'Israely: "Raha nasandratr'i Moizy ny tànany dia Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tànany, Amaleka no nahomby. Nony efa vizana ny tànan'i Moizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary Aarona sy Hora kosa nanohana ny tànany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka intsony ny tànany mandra-pilentiky ny masoandro." (Eksaody 17: 11-12)
Azo atao ho fihetsika entina hiderana an'Andriamanitra ny tanana mivelatra, araka ny hita ao amin'ny Salamo ohatra: "Aoka hisaotra an'ny Tompo àry hianareo rehetra mpanompon'ny Tompo, ... Manandràta tànana ho amin'ny fitoerana masina, ary misaora an'ny Tompo." (Salamo 134: 1a. 2)
Azo atao fihetsika hanehoana fitsofandrano ihany koa, toy ny nataon'i Jesoa, ohatra: "Dia nentiny hivoaka ny tanàna hatrany Betania izy ireo, ary nanandratra ny tànany izy ka nitso-drano azy." (Lioka 24:50)
Azo atao fomba entina mivavaka tsotra fotsiny ihany koa, toy ny fanentanana ho an'ireo Kristianina voalohandohany ohatra: "Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tànana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina." (1 Timote 2:8)

Ny mikasika ny fanentanana "Aoka isika hivavaka" indray: Marina fa mivavaka tokoa rehefa ao am-piangonana, nefa koa misy ny fotoana mangina handinihana sy hitsakotsakoana ny Tenin'Andriamanitra ohatra, na hiresahana mangina am-po miaraka amin'i Jesoa vao noraisina tamin'ny Komonio. Ka ilay fanentanana hoe "Aoka isika hivavaka" dia fiantsoana ny Krisitianina manontolo iray fiangonana mba hiaraka hanondrotra vavaka tokana iombonana miaraka amin'ny Pretra amin'iny fotoana voatondro iny.

Zay fa sao lasa lava loatra dia very ny soa! :)
makouto:

salama daolo ny fihetsika rehetra mandritra ny lamesa toy ny hoe velarina ny tanana dia avy eo akombona fotsiny ohatra amin'ny RAINAY ANY AN-DANITRA satria indraindray tsy manao ny sasany mety tsy ho hainy ny dikany angamba
zay aloha valiana
faharoa angaha tsy mivavaka moa ao am-piangonana no mbola miteny ny Pretra eny an-tsiefatsiefany eny hoe "aoka isika hivavaka" misaotra ôôô
dadasy:

Zany hono ry Makouto a! inona hono le fihetsika mahaliana!
hery:

Fihetsika ao amin'ny lamesa:

Ny fihetsika tsirairay dia samy manana ny heviny, ary misy heviny daholo nefa fa tsy ataotao foana. Na ny fihetsiky ny pretra na ny fihetsika sy paozin'ny olona. Matetika dia mifandray amin'ny fombam-pivavahana talohan'ny konsily vatikana II izay indraindray tsy dia azon'ny tanora sy ny fiangonana taty aoriana (indrindra ny any Afrika).
Azon'ny eveka miandraikitra ny litorjia atao anefa ny mamorona fihetsika vaovao araka ny fomban-tany (ohatra ilay fifanomezam-piadanana mifandray tanana sy mandihy) rehefa tsy mivoaka amin'ny hevitra lazain'ny Sorona Masina amin'ny ankapobeny.

Dia iza amin'izay ny fihetsika mahaliana?

17. henri2015 ( 25/02/2015 01:55)

Ny fihetsika signe de croix tsy mitovy ny orthodoxe sy romain. Jean XXIII nanova zavatra betsaka na ny teny maty latine aza. Na ilay miaraka aza prière sacerdotale " Amin ny alalany sy miaraka aminy ary ao Aminy. ..." dia iarahan ny be sy ny maro nefa fahiny saingy ny pretra irery sisa. Na ny mandotratra, sy ilay valiny ny "Ity ny zanakondrin Andriamanitra. ...."no itiavako sy mampientam-po ahy indrindra. Misy dikany symbole ireny. Toy ny i san ' ny Sakramenta ny livres deutero canonique iavahana @ protestanta. Miova koa ny doctrine satria nesorina fa tsisy ny limby "limbe"...Mila manaraka volon-tany. Miala tsiny vary amin ny anana. Famintinana ny hatsoram-po no mitondra an'io.
18. henri2015 ( 25/02/2015 01:55)

19. manampisoachrist ( 26/09/2016 04:44)
amin'ny fiangonana sasany kosa,miankina amin'ny filan-kevitra pastoraly ihany io fa tena lava noho ny toriteny ny vaovaom-piangonana hany ka manosika ny olona hivoaka mandritra ny famakiana io vaovaom-piangonana io.Misy tokony fomba hanafohezana azy ihany hy sasany ohatra misy paroasy sasany hilaza fanambadiana izy dia vakiana ao daholo ny anaran'ny ray aman-dreny ,ny daty ,ny ora ,ny tenin'Andriamanitra voalaza ao hatramin'ny hoe /tianay raha tso-drano ara-pomba malagasy no ataonareo.santionanay ihany io fa maro no azo lazaina fa ny antony hanoratana eto moa dia ny mba hikolokoloana ny finoan'ny kristianina mba tsy ho very amin'ny zavatra ohatran'izany satria aorian'ny lamesa dia mba tokony ho aim-panahy vaovao mihitsy no azo
20. jenni ( 03/03/2017 22:58)
Miarahaba ny mpiandraikitra sady misaotra indrindra fa tena ilaina ity.
Mba te hanamafy fotsiny, manomboka @ alahady 05 Mars 2017 izany dia tsy misy Hira "Voninahitra" mandra-pahatongan'ny Paka?
Dia inona koa no anton'ilay hoe Tsy atao ny hira Fihobiana "Tsara ny mankalaza" nefa toa hiraina foana io, ka oviana io no ampiasaina? Misaotra betsaka tompoko dia mirary soa e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012