Velona tokoa Ilay hitanay maty

Nampiditra: Jean_Luck_R
Sokajy: Paka, Tononkira,


Ô velona;

Velona tokoa Ilay hitanay maty (in4)

Ary indro mpaminany lehibe no miseho eto anivonay

Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra

Aleloia, Paka!

Aleloia, Aleloia!

 

1. Ô ry Elia ô, Tsy tantinao ny fahoriana

Nisaloran’ity ramatoa mananontena iray

Izay nanolotra ho anao ny hany sisa mba tavela

Izay hataony tohan’aina

Dia natsanganao ho velona, ilay hany sombinainy

Izany anefa mbola santatra!

 

2. Ô ry Jesoa ô, Tsy zakanao ny fijaliana

Nampilofika an’ity mananotena ndeha handevina

Ity menaky ny ainy, tsisy andry ho azy intsony

Raha ety ambonin’ny tany!

Indro fa naverinao velon’aina indray ilay zanany

Izany anefa mbola santatra!

 

Ô velona;

Velona tokoa Ilay hitanay maty (in4)

Ary indro mpaminany lehibe no miseho eto anivonay

Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra

Aleloia, Paka!

Aleloia, Aleloia!

 

3. Ô ry Paoly ô, Raiki-tory ity zatovo

Raha nihaino anao niteny dia nianjera ary maty

Fa tsy sitrakao ho faty, dia ho faty vita hatreo,

Izay vao avy nahare

Ny Vaovao Mahafaly: Alahady tamin’izay!

Izany anefa mbola santatra!

 

4. Ô ry Jesoa ô, Ianao niantra ny olombelona

Izay msmindrs tsy mshits izay hombana toy ny jamba.

Dia nasaina hotorina amin’Ny olona ny Aina;

Ka ny ranon’ny Batemy

Sy ny mofon’ny fiainana: no indray atolotrao!

Izany anefa mbola santatra!

 

5. Ô ry Jesoa ô, ny Fitiavanao dia tia

Ny mba hivondronanay ao an-tranon-dRainao.

Io manko ilay fonenana tsy hahitana fahafatesana

Na ranomaso mikoriana.

Ny fanahy amam-batana hiaina ao mandrakizay!

Ary ao no tena Fiainana!

 

Ô velona;

Velona tokoa Ilay hitanay maty (in4)

Ary indro mpaminany lehibe no miseho eto anivonay

Efa namangy ny vahoakany Andriamanitra

Aleloia, Paka!

Aleloia, Aleloia!

 

 

 

 

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0072 s.] - Hanohana anay