Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra: izay mifarana eo amin’ny Ranombavaka
Fankalazana ny Eokaristia: izay manomboka amin’ny rakitra
FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA
Fidirana
Filazana ny andro amin’io fotoana io ary milaza ny antony hivoriana sy ny teny hoentin’ny fiangonana hanentanana amin’io andro io (foto-kevitra)
Izay tenenin’ny Pretra tsy hamafisina intsony , fa izay ataon’ny mpanentana no mbola azon’ny Pretra hamafisina sy hazavaina bebe kokoa.
Tsy vakiana ny tononkira fidirana raha toa ka efa hatao amin’ny hira fidirana
Iangaviana ny hanononana ny pejy misy ny hira amin’ireo fihirana amin’ny hira rehetra atao
Atsahatra ny hira fidirana rehefa tonga eny amin’ny Otely ny Pretra
Fifonana
Raha toa ka efa mampiditra hira fifonana ny Pretra dia tonga dia lazain’ny mpanentana ny hira fifonana hatao
Ny hira fifonana dia mivantana sy mifantoka tanteraka amin’ny Jesoa Kristy
Raha toa ka tsy misy ny hoe “Tompo ô, Kristy ô mamindrà fo aminay” ny hira atao dia averina ireo teny ireo amin’ny faran’ny hira ka tsy voatery ho ny Pretra no miventy io fa azon’ny mpanentana atao ary ny vahoaka mamaly (marihina fa efa niresaka mialoha tamin’ny Pretra ny mpanentana)
Voninahitra
Ny voninahitra dia antsa tranainy indrindra sy mendrika hajaina entin’ny Fiangonana tafavory eo mankalaza an’Andriamanitra
Toy ny tamin’ny fifonana dia tononina avy hatrany ny hira hatao raha toa ka efa nampidirin’ny Pretra ny hiran’ny voninahitra
Azo tononina ny voninahitra fa tsy voatery hiraina
Tsy misy voninahitra amin’ny Sorona Masina andavanandro raha tsy misy fety fankalazana
Misy voninahitra foana kosa ny Alahady afatsy amin’ny fotoanan’ny Fiaviana sy ny karemy
Vitaina hatramin’ny farany ny Voninahitra fa tsy tapahina eny anelanelany na dingadinganina
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Tsy azo atao ny manampy ny litorjia izay efa ataon’ny Fiangonana
Oh: misy mbola miantso ny Fanahy Masina mialoha ny vakinteny
Samy Tenin’Andriamanitra avokoa na ny Vakinteny na ny Salamo (hiraina na vakiana)
Tsy tokony hivezivezy mandritra ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra
Ny votoatin’ireo Tenin’Andriamanitra rehetra sy ny toriteny dia mifantoka tanteraka amin’ny foto-kevitra izay omen’ny Fiangonana amin’io andro io
Tokony hazava tsara ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra:
Tsy maintsy omanina tsara
Atao miadana tsara
Tsy maintsy azon’ilay mpamaky izay zavatra vakiany mba hanamora ny fampitany izany amin’ny Kristianina
Raha misy teny tsy azo na tsy hay ny famakiana azy dia manontania ny Pretra na ny tompon’andraikitra
Mikasika ny Salamo:
Tsy maintsy mifanaraka amin’ny Vakiteny novakiana
Raha tsy hay hiraina dia tsara raha vakiana avy hatrany
Azo asiana hira amin’ny famakiana ny Salamo: na atao mialoha sy mamarana ny famakiana izany (Sasin-kira) na atao manelanelana ny famakiana ny Salamo (Fiverenan-kira)
Fitsenana ny Evanjely
Tsy vakiana intsony ny teny hoe “Aleloia” raha toa ka efa nohiraina izany
Amin’ny vaninandron’ny Karemy dia soloina ny “Voninahitra sy dera” na hira mitovy amin’izany ny Aleloia
Fiekem-pinoana
Faneken’ny vahoaka sy fankatoavana ny vakiteny vao nohenoina teo ny hoe: Fiekem-pinoana, ary fampahatsiahivana ny fitsipi-pinoana mialoha ny tena hanombohana ny Eokaristia
Azo tononina ary vitaina hatramin’ny farany raha hira no atao
Ny Pretra no tsara miventy ny hira “Averina eto indray”
Ranombavaka
Ity indray dia fanentanana ny olona hivavaka
Famaranana ny Tenin’Andriamanitra sy fampiharana azy eo amin’ny fiainana
Vavaka ho an’izao tontolo izao ny Ranombavaky ny Mpino
Tahaka ny Vakiteny ihany koa dia tokony hazava tsara ny famakiana izany
FANKALAZANA NY EOKARISTIA
Rakitra
Fanoloran-tena sy fahafoizana andraisan’ny kristianina anjara amin’ny fanoloran’I Jesoa ny tenany sy fanatontosany ny fanompoam-pivavahana ary hanampiana ny mahantra sy hampisehoana fitiavana ny Rakitra
Fanehoam-pinoana ny rakitra noho izany dia:
Arak’araky ny fahasoavana izay azontsika tsirairay avy no atolotra amin’izany
Tsara raha efa voaomana mialoha ny rakitra hatolotra ary koa mba ho vola madio
Tsy misy ambony noho ny Lamesa ny asa rehetra atao eto am-piangonana noho izany dia tsy mety ny hoe hanisa rakitra raha tsy efa avy namonjy lamesa
Rakitra indroa ihany matetika no atao amin’ny Sorona Masina
Rakitra atao ho an’ny Sorona
Rakitra atao fisaorana
Tsy azo atao eny ambony Otely ny rakitra fa apetraka eo ambany na amin’ny toerana efa voatokana ho amin’izany
Fanolorana
Tsara raha misy fanolorana ny mofo sy divay ny hira atao, ary manana dikany sy heviny amin’ny fanolorana izany, tsy maninona koa anefa raha misy fanoloran-tena ao anatin’izany
Ajanona ny hira fanolorana rahefa vita ny asa ataon’ny Pretra eny amin’ny Otely
Masina
Tsy azo tapahina ny Masina fa vitaina hatramin’ny farany
Amin’ny Lamesa manontolo fa indrindra ny fankamasinana no hanovana ny Mofo sy Divay ho tonga Vatana sy Ran’I Kristy, noho izany dia fotoana sarobidy indrindra izany ka ilaina fanajana fatratra
Ny dikan’ny lakolosy maneno amin’ny fankamasinana dia mampiomana antsika Kristianina rehetra hifantoka tanteraka amin’i Kristy eo amin’ny Otely fa tsy amin-javatra hafa na vavaka hafa (sapile…)
Anamnezy (Fihobiana)
Ny anamnezy dia hira atao aorian’ny fankamasinana
Hira famerenana indray ny nataon’I Jesoa Kristy fahizay dia Izy nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona
Noho izany hira mivantana amin’I Kristy nijaly sy maty ary nitsangan-ko velona no atao amin’izany
Tsy tsara atao ny hira hoe: Tsara ny mankalaza anao, Te-hidera ny Tompo aho e
Azo atao kosa ny hoe An’ilay zanak’Ondrin’Andriamanitra anie saingy tohizana ny and. 4
Prefasy
Ny Pretra ihany no miventy ny hoe: Amin’ny alalany sy miaraka aminy…..
Raha anaty lamesa dia tsy tohizana avy hatrany amin’ny hoe: “Fa Anao ny fanjakana…”
Ny Pretra irery ihany koa no manao ny hoe: “ Eny manafaha anay….”
Fiadanana
Fihetsika tsara mifanaraka amin’ny maha-litorjia no atao
Raha Lamesa amin’ny faty dia mifandray tanana fotsiny fa tsy mihetsika
Zanak’ondry
Tsy mety ny hira hoe: Koa inty e ‘lay Zanak’Ondry… satria mbola tsy eny an-tanantsika ny Eokaristia
Komonio
Tsara raha mifantoka amin’ny Eokaristia ny hira atao amin’izany
Tsy azo atao amin’ny Komonio ny hiran’I Masina Maria
Fa azo atao kosa ny Tononkiran’i Maria na ny Tononkiran’I Zakaria: Mankalaza e
Asiana fotoana fahanginana kely aorian’ny Komonio mba hahafahan’ny olona rehetra mivavaka mangina amin’I Jesoa noraisiny ao am-pony
Fisaorana
Ny fisaorana dia ilazana ny hafaliana ao am-po satria nandray ny Tenin’Andriamanitra sy ny Tenan’Andriamanitra ka aseho amin’ny fihetsika faly izany
Asiana tehaka raha mifandraika amin’izany ilay hira
Azo atao koa ny Tononkiran’i Maria na ny Tononkiran’I Zakaria
Tsy averina ny hira fisaorana fa ampiana hira hafa raha ilaina izany
Fanirahana
Hira fanirahana no atao satria irahin’ny Pretra isika hanohy ny asa fitoriana
Azo atao ny hiran’i Masina Maria fa tsy voatery izany
Rehefa tonga any amin’ny Sakristia ny Pretra vao manomboka mivoaka ny Kristianina, ka tsy ajanona ny hira raha tsy tapitra ny olona ao am-piangonana
Tsy asiana teny kely na vavaka intsony aorian’ny hira fanirahana
FANAMARIHANA ANKAPOBENY
Miezaka isika rehetra mba hiara-mientana hanao ny fihetsika iraisana rehetra ao amin’ny Lamesa:
Oh: Ny teny iaraha-mamaly: Amen, Hotanteraka tokoa anie izany…
Miara-mandohalika, na miara-mitsangana afatsy ireo olona tsy salama na mitaiza kely
Ny fiarahana mihira satria ny hira dia vavaka ihany koa
Entanina ary isika rehetra mba hanaraka antsakany sy an-davany ireto fampahafantarana vitsivitsy ireto mandritra ny fizotry ny lamesa fa indrindra isika tompon’anjara amin’ny Litorjia
Mirary soa ho antsika rehetra, samia hotahian’Andriamanitra isika mianakavy
Misaotra amin'ny fanazavana tena ilaina toy izao. Tiako anontaniana ny momba ny vaovaom-piangonana. Amin'io fotoana io no be ny mpino mivoaka any ivelany. Ny fiangonana anefa amin'ny maha fianakaviana azy dia tsy maintsy mifampizara vaovao. Koa angatahako hamaly izay mahafantatra misimisy kokoa ny fanazavana ny anjara-toeran'ny vaovao-piangonana amin'ny litorjia
Ny vaovaom-piangonana dia fifandaminana fa tsy tafiditra ao anaty litorjia. Izany anefa tsy midika hoe tsy zava-dehibe ilay izy satria fiainam-piangonana mihitsy.
Mila jerena ny vahaolana. Inona no antony mahatonga ny olona hivoaka any ivelany? Sao dia tsy henony akory ilay vaovaom-piangonana na ao anatiny aza izy satria tsy mazava ny fanamafisam-peo na koa tsy mazava ny famakin'ilay mpamaky vaovao? Sao dia maha monamonaina loatra ilay vaovao fa tsy mba vaovao intsony?
Anjaran'ny komitin'ny paroasy no mitady fomba hahafahan'ny olona manaraka ny vaovaom-piangonana. Azo atao ny mamoaka gazety kely (takelaka iray isank'alahady misy vaovaom-piangonana) na ny mandefa ny vaovaom-piangonana amin'ny email sns.